Chrd2 Kandreho
Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Chrd2 Kandreho, Medical and health, Kandreho, Majunga.
02/01/2026
08/11/2025
Tafaverina soa amantsara ny logo đđđ
28/10/2025
Arahabaina ianao Dr @ izao dingana manaraka izao. mahaleova mahalasana @ andraikitra lehibe dia lehibe hiandreketanao. Hitondra rivo-baovao eo @ tontolon'ny fahasalamambahoaka anie izao fahatongavanao izao đđđ
Vanimpotoanan'ny manga isika izao. Koa indro ary atolotra anao ireo soa hentiny.
đȘMampitombo sy manamafy ny hery fiarovana
Ny manga dia voankazo iray mitahiry vitamina C sy vitamina B aminâny tahany ambony. Ny vitamina C moa dia fantatra aminâny fiasany eo aminâny fanamafisana sy fampitomboana ny hery fiarovana. Manampy izany fiasanâny vitamina C izany ihany koa ny vitamina B. Ity farany moa etsy andaniny dia mandrisika ny famokaranâny vatana ny tanjaka ary mampihena ny havizanana.
â€ïžMikolokolo ny fahasalamanâny fo
Ny fihinanana manga matetika dia manampy betsaka aminâny fikolokoloana ny fahasalamanâny fo. Voankazo isanâny be « fibres digestes » toy ny « pectine » ny manga. Ireo karazana fibra ireo dia mampihena ny cholestĂ©rol ratsy ao anaty lalandrĂ . Ankoatra izay dia mitahiry potassium betsaka ihany koa ity voankazo ity. Ny potassium dia mampilamina ny tosidrĂ ary mandrindra ny fodoboky ny fo.
đManatsara ny fandevonan-kanina
Araky ny vokam-pikarohana maro nataonâireo manam-pahaizana any ivelany dia voalaza fa mampitony ny olona mitohana matetika na hoe manao « constipation chronique » ny fizarana mihinana manga. Voalaza ihany koa fa manatsara ny fiasanâny taova fandevonan-kanina ihany koa ity voankazo ity noho izy mitahiry fibra, rano sy antioxydants betsaka.
đïžMiaro ny fahasalamanâny maso
Voankazo isanâny manankarena « carotĂ©nĂŻdes » ihany koa ny manga. Ny « carotĂ©noĂŻdes » dia isanâireo singa misahana ny fahasalamanâny maso. Ny « lutĂ©ine » sy « zĂ©axanthine » entinâizy ireo dia mandray anjara aminâny fiarovana ny maso aminâny taratry ny masoandro sy ny « lumiĂšre bleue » avy aminâireo karazana Ă©crans ampiasaintsika aminâny andavanandro. Ireo singa roa ireo koa dia tena ilaina aminâny fiarovana ny fiadiana aminâireo karazana aretinâny maso miseho rehefa miha antitra.
17/10/2025
Tolotra ara-pahasalamana maiaimpoana eto @ hopitaliben'ny Kandreho.
10/10/2025
Manomboka ny fametrahana ny kitrano hanaovana ny varavarana misokatra na ny Journée Porte Ouverte (JPO) hotontosaina ety@ hopitalibe (CHRD II) Kandreho. Tsiahivina hatrany fa maro ny tolotra ara-pahasalamana maiaimpoana homena ny mponin'ny Kandreho mandritra ny hetsika koa Samia ary mifampitaona.
đąFampatsiahivana :
Eo ambany fiahian'ny Ministeran'ny fahasalamambahoaka dia ho tontosaina eny @ CHRD II KANDREHO ny 15-16-17 Octobre hoavy izao ireo tolotra ara-pahasalamana fanao isantaona ka ireto avy ny zavatra azontsika hisitrahana amin'izany :
đ©șFitiliana diabeta sy tension,
đ©žFitiliana ny tsimonkaretina VIH/SIDA
đđFizahampahasalamana sy fitsaboana marary (consultation)
đŠ·Fitsaboana nify,
đ€°Consultation prĂ©natal na fisafoana ireo vehivavy bevohoka,
đ§ȘFitsarana rehoka ho an'ireo mikohadavareny hitiliana raboka
đ©čTsy adino ny fandidiana hydrocĂšle na bonga be.
â ïžMaimaimpoana avokoa ny tolotra rehatra @ io koa mitongava maro. Ampitapitao @ manodidina.
23/09/2025
Fantaro ireo vokatsoa hoentin'ny papaye na mapaza masaka.
â€ïžMahatsara ny fo
Tsy sangisangy tokoa ilay hoe "omena jus de papaye" ny olona rehefa tezitra be iny. Mampitony ny fo tokoa mantsy ny papaye. Noho ny "potassium" sy ny "fibres" ao anatiny, manatsara ny fahasalaman'ny fo io voankazo io. Mitandro ny "tension" tsy ho ambany na ho ambony loatra izy.
Ho an'ireo olona rera-dava, mahasoa ny fihinanana papaye. Mampahazo aina vetivety io voankazo io noho ny siramamy sy ny singa mahasalama rehetra entiny.
đšMahasalama ireo taova fandevonan-kanina
Voankazo manasitrana vavony ny papaye : mampihena ny rivotra anaty vavony sy ny fanaintainana. Ho an'ireo mparary vavony matetika dia tena amporisihana ny fihinanana io voankazo io, indray mandeha isan-kerinandro farafahakeliny. Manamora ny fandevonan-kanina izy sady mora levonina ihany koa. Azo hanina tsara ihany koa io voankazo io raha manana olana amin'ny famoahana maloto (constipation).
đ§Mahatsara hoditra
Mahamandina sy mahasalama ny hoditra ny fihinanana papaye. Manan-karena "beta-carotĂšne" sy "vitamine C" mantsy izy. Azo hosorana mivantana amin'ny hoditra ihany koa ny papaye, indrindra rehefa mahatsikaritra tasy na koa main'ny masoandro. Misy ihany koa ireo manasa volo amin'ny ranona papaye (tsy misy siramamy). Tsy vitsy ireo mpisehatra amin'ny tontolon'ny taovolo sy ny tarehy no mampiasa ny papaye hanamboarana crĂšmes, lotions na shampoing.
ââAhoana Ă ry ny fihinanana papaye ?
Amin'izao andro mafana izao, mampahazo aina ery ny mihinana papaye notetehina somary nampangatsiahana kely tao anaty vata fampangatsiahana. Azo atao goûter tsara izy na hohanina alohan'ny sakafo (tsindrian-tsakafo fa tsy tsindrin-tsakafo). Tsy vitsy ireo olona manamboatra "salade de fruits" ka mampifangaro ny papaye amin'ny voankazo hafa : akondro, frezy, voaroy, mananasy, sns. Azo atao tsara ihany koa ny manodina azy ho lasa ranom-boankazo.
â ïžFanamarihana
Ho an'ny olona diabetika, mila lanjalanjaina ny fihinanana azy.
â ïžAhoana no amantarana olona voanâny « appendicite » ?
Misy manindrona tampoka ve ao aminâny faritry ny kibo havanana rehefa mamindra na mibata zavatra mavesatra ? Mety « appendicite » izany. Raha tsy misy fandraisan-tanana mialoha dia mety hihitatra ho areti-mandoza.
âInona no atao hoe « appendicite » ?
Aretiny « appendice », izay ampahany aminâny tsinay, no atao hoe « appendicite ». Mety ho tratry izany avokoa ny olona rehetra fa ireo eo anelanelanâny 15 hatraminâny 30 taona no tena isehoanâizany.
đšIreo fomba fisehonâny « appendicite »
Ny fomba fisehonâny appendicite dia ny :
-fahatsapana manaintaina manindrona tampoka eo aminâny manodidina ny foitra ary midina mankany aminâny ilany ambany ankavanana sy aminâny fe izany fanaintainana izany ;
-mihamafy hatrany ny fahatsapana fanaintainana ka mety manindrona mafy be anatinâny iray andro ;-mety hahatsapa maloiloy sy te handoa
-lasa malain-komana ;
mety hisy hafanana sy hangovitra ;
-mivalana na mitohana ;
-mety misy zavatra fotsifotsy miforona eo ambonin'ny lela.
đđNy fomba fitsaboana ny « appendicite »
Ny fandidina ihany hatreto no fitsaboina mahasitrana sy analana ny « appendicite ». Vao miseho ireo soritrâaretina dia mila manantona toeram-pitsaboana avy hatrany. Raha tara ny fandraisan-tanana dia mety ho vaky ny « appendicite » ka lasa sarotra tsaboina tokoa. Ny fihinanana antibiotika dia tsy mitsabo ity aretina ity tanteraka fa manena ny fihitarany fotsiny ihany aretina.
Ireo sakafo tsara hanina raha miakatra tosi-drĂ
đšđđ«Tsy mifidy taona intsony ankehitriny ny olona miakatra tosi-drĂ . Atoro anao eto ary ireo karazana sakafo tsara hanina hanatsarana ny tosi-drĂ sy ho famenonâny fanafody fitsaboana izany.
đ„ŠNy « brocoli »
Fomba iray manampy hanatsarana ny tosi-drĂ ny fihinana legioma sy voankazo karazany 5 isanâandro. Anisanâny legioma be kalsioma, potasioma ary manezioma ilainâny vatana ny « brocoli ». Mandray anjara betsaka aminâny fandrindrana ny tosi-drĂ ireo singa hita ao anatinâny « brocoli » ireo. Tsara raha tsy atao masaka be loatra ny « brocoli » mba ho voatahiry avokoa ny otrikaina ao anatiny.
đ§Ny tongolo gasy
Efa maro no mahafantatra fa mampidina tosi-drĂ ny tongolo gasy. Voaporofo ara-tsiansa rahateo fa mampihena ny tahanâny tosi-drĂ sy ny kolesteroly ratsy ny fihinanana tongolo gasy. Ilaina noho izany ny mihinana hasiny efatra isanâandro aminâizany raha te-hisitraka ny tombotsoa azy avy aminy. Tohizana hatrany ny fanafody tosi-drĂ ho anâizay efa mihinana izany fa ho fanampiny fotsiny ihany ny fihinanana tongolo gasy.
đ¶Ny « yaourt »
Araka ny voka-panadihadiana iray natao tao Minnesota dia voamarina fa manampy betsaka aminâny fampidinana ny tosi-drĂ ambony loatra ny fihinanana « yaourt » matetika sy aminâny fotoana raikitra noho izy manankarena kalsioma.
đ°Ny « cacao »
Anisanâireo karazana sakafo manankarena « flavonoĂŻdes » ny « cacao » ka miaro ny vatana aminâny rarin-tsaina. Fantatra nefa fa ny rarin-tsaina no isanâireo fototra mampiakatra ny tosi-drĂ .
đ Ny tamotamo
Manana fahafahana misoroka ny rĂ tsy hivaingana ao anaty (anticoagulant) sady miaro azy aminâny mikraoba koa ny tamotamo. Ny tamotamo fakany no hoanina manta na kikisana atao aminâny laoka.
đNy akondro
Hita ao anatinâny akondro ny otrikaina mineraly miaro ny fo sy ny lalan-drĂ dia ny manezioma, ny potasioma ary ny kalsioma izany.
Click here to claim your Sponsored Listing.
Category
Culinary Team
Attire
Contact the practice
Telephone
Website
Address
Kandreho
Majunga
401