Tanora RPR
Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Tanora RPR, Nonprofit Organization, Antananarivo.
21/02/2026
10/02/2026
🇲🇬🇲🇬🇲🇬
ALERTE CYCLONE ! Miomana i Vatomandry
Mba hiatrehana ny fiavian'ny rivodoza GEZANI ato amin'ny distrikan'i Vatomandry dia nisy fepetra maromaro noraisina. Efa vonona daholo ny fitaovana sy ny sampandraharaham-panjakana rehetra raha sanatria ka hisy tokony hanetsehana azy ireny amin'ny famonjena vahoaka.
Efa vonona ihany koa ny toerana handraisana ireo olona mety hiaram-boina ka voatery handao ny fonenany sy ny fananany. Ny mpitandro filaminana efa vonona amin'ny fiarovana ny olombelona sy ny fananany izay efa asa fanaony isan'andro rahateo sy amin'izay mety ho hetsika vonjy taitra rehetra.
- Mihainoa mandrakariva ny fampahalalam-baovao
- Araho ny toromarika rehetra omen'ny tompon'andraikitra
🇲🇫🇲🇫🇲🇫
ALERTE CYCLONE ! Vatomandry se prépare à l'arrivée du cyclone GEZANI
Les autorités locales de Vatomandry sont en alerte maximale face à l'approche du cyclone. Des mesures ont été prises pour assurer la sécurité des habitants et minimiser les dégâts.
Des sites d'hébergement ont été identifiés et préparés pour accueillir les personnes qui pourraient être affectées par le cyclone. Les habitants des zones à risque sont invités à se rendre dans ces sites pour leur sécurité.
Les forces de l'ordre ont été mobilisées et sont en état d'alerte, prêtes à intervenir en cas de besoin.
- Restons informés des dernières mises à jour sur la situation.
- Suivons les instructions des autorités locales.
- Évitons de sortir pendant le cyclone.
❤️🇲🇬❤️
21/12/2025
🇲🇬🇲🇬🇲🇬50 taona androany ny boky mena !
Boky mirakitra vinam-piarahamonina maty paika nahitana programa politika sy ekonomika ary sosialy miorina tanteraka amin'ny fiaraha- monina sy ny fomba amam-panao Malagasy. Tao anatin'ny dimampolo taona, dia ity boky ity no natao fototry ny lalana fampandrosoana ary natao ho fakan-kevitra mihitsy ho an'ny fitantanana ny firenena. Enga anie ny Boky Mena mba hitsilo ny lalana ho amin'ny ho avy mamiratra ao anatin'ny fanajana tanteraka ny soatoavina malagasy sady misokatra ihany koa amin'ny any ivelany, mba ahafahantsika mampirindra ny fomba amam-panao nolovaina tamin'ny razana.
🇲🇫🇲🇫🇲🇫Le Livre Rouge de Didier Ratsiraka a 50 ans aujourd'hui !
Véritable projet de société comportant un programme politique, économique et social ancré dans la réalité et la culture des malgaches. En ce demi-siècle, rappelons que ce livre reste un repère de réflexion et d'action pour Madagascar et j'émets le souhait qu'il puisse continuer d'éclairer nos pas vers un avenir plus solidaire, respectueux de nos valeurs et ouvert sur le monde. Qu'il stimule les débats et inspire ceux qui cherchent à concilier modernité et tradition.
❤️🇲🇬❤️
16/12/2025
MITADY IZAY AHASOA AN'I VATOMANDRY
Ireo teboka lehibe nandritra ny fandraisam-pitenenana nataoko tao amin'ny antenimierampirenena nandritra ny fihaonana teo amin'ny solombavambahoaka sy ny mpikambana ao amin'ny governemanta :
- Tokony asiana quotas ny fampidirana mpiasam-panjakana raha tsy hoe tena tsy misy ny traik'efa tadiavina any aminay indrindra fa amin'ny resaka santé, mpampianatra, réengagement ny miaramila sy ny sisa rehetra.
- Ministres Intérieur sy Justice: tokony mijery akaiky ny hetraketrakin'ny ben'ny tanana sasany ao amin'ny distrikan'i Vatomandry satria tsy misy filaminana ny fiainan'ny mpiaramonina. Ka voakasik'izany ireto kaomina manaraka ireto: Tsivangiana, Ifasina III, Antanambao Mahatsara tsy mbola milamina hatramin'izao, Ambodinonoka Rangalana ahitana an'ity maire resy 25% efa nolavin'ny Conseil d'État tamin'ny Volana jolay anefa lasa mitory an'ilay maire naharesy 75% ao amin'ny conseil d'État indray izao.
- Mila torimarika mazava avy amin'ny ministeran'ny ati-tany momban'ny chefs Fokontany.
- Ministres ny Mines sy Finances: aleo mba asiana fitsinjarana na redistribution mazava sy ara-drariny na équitable ny redevances sy ristournes tokony ho azonay avy amin'ny Nickel sy Graphite izay trandrahana ato amin'ny distrikan'i Vatomandry.
- Ministres ny Postes et Télécommunications: saro-dalana ny misy anay ka rehefa tsy misy ny fifamoivoizana dia tokony mba misy ny fifandraisana an-tariby. Efa maro ny fangatahana natao ny amin'izany fa tsy mbola nisy valiny hatreto.
- Misaotra ny Ministre ny santé ksoa fa zay vao nahazo ambulance i Vatomandry raha efa nahazo daholo ny Districts manodidina.
- Misaotra ihany koa ny Ministre ny fampianarana satria zay vao nahazo tables-bancs i Vatomandry.
- Mbola miandry kosa ny lakana misy moteur nampanantenaina ho an'ny mpanjono nandritra ny fitondrana nisy.
- Ary farany ny fanamboarana vovon-drano fisotro madio sy camion pompier hiadivana amin'ny doro-ala sy tanety.
❤️🇲🇬❤️
30/09/2025
🇲🇬🇲🇬🇲🇬Lalim-paka ny olana eto Madagasikara ka fotoana izao tokony hikaonan-doha anaty fotoana fohy sy andinihan'ny mouvances politiques rehetra miaraka amin'ny societé civile mba hitadiavana vahaolana mifanandrify amin'ny hetahetan'ny vahoaka malagasy tsy vaky volo ka ho tonga amin'ny fanovàna rafitra fitantanana vaovao mitodika tanteraka amin'ny fanasoavam-pirenena.
🇲🇫🇲🇫🇲🇫Les problèmes de Madagascar sont profonds et recurents. Il est peut-être temps que toutes les mouvances politiques ainsi que la société civile se réunissent pour réfléchir et proposer des solutions afin de mettre en place une restructuration totale du pays adaptée à nos jeunes et pour l'avenir de Madagascar.
❤️🇲🇬❤️
09/09/2025
🇲🇬🇲🇬BAREA mampiray !
Misaotra ny Barea mitondra avo ny voninahitry ny firenena. Fandresena roa misesy ka mampitombo ny fanantenana ho any amin'ny " Coupe du monde 2026 ". Manohana anareo mandrakariva ny Malagasy tsy vaky volo.
Isika rehetra miara-mitempo hoan'ny Barea.!
🇲🇫🇲🇫🇲🇫 Célebrons la victoire des BAREA afin qu'elle reste pour nous tous une source de fierté. À mes yeux ce n'est pas uniquement un succès sportif mais un symbole de solidarité et d'unité qui a captivé le coeur de tout le peuple malgache.
Je félicite nos joueurs pour leur talent et leur devouement. Mais je remercie également tous les supporters pour leur soutien indéfectible et leur enthousiasme car ils nous ont tous fait vibrer.
❤️Alefa BAREA !!!❤️
❤️🇲🇬❤️
01/09/2025
❤️
Nous adressons nos plus sincères remerciements à tous ceux qui ont pris part à l'hommage rendu à notre regrettée Céline Ratsiraka. Vos prières, votre compassion et votre présence ont été un réconfort immense pour nous et ont permis de lui rendre un dernier hommage digne d'une Première Dame. Nous sommes profondément touchés par votre solidarité et votre soutien dans cette épreuve douloureuse.
❤️
25/08/2025
Click here to claim your Sponsored Listing.
Category
Website
Address
Antananarivo