Edally Ranoëlson Ofisialy
Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Edally Ranoëlson Ofisialy, Politician, Palais de la région Atsimo Andrefana, Tulear.
24/05/2026
Miarahaba antsika iaby tratsin'ny gny Pantekosta, samby hotarihin'ny Fanahy Masina ka haharaky gny sitrapon'Andriamanitra anie tsika mianakavy.
22/05/2026
Vita ny fifamindram-pitantanana teo amin'ny Talem-paritry ny Tontolo iainana vaovao Docteur HAZRADY Ahmad Bora Kanoso sy ny teo aloha MARA TSIRAHONANAIVO Aubin Christian.
Nametraka ny DREDD Vaovao fa ny fanarahn-dalàna ho an'ny fanovana marina no ho vain-dohadraharaha amin'izao fitantanany izao.
Miarahaba sy mirary soa an'ny vaovao isika ary misaotra an'ny teo aloha
16/05/2026
Veloma ZOKIKO!
Tomagny anao Toliara!
Veloma RABEHAJA Jean!
Nametraky azy amin'ny gny tany hisy azy eto Ahaviro TOLIARA
Tsy mahafoe anao i Toliara
Mandria am-piadanana ZOKIKO
16/05/2026
Iraisa gny fahoria, mifampahery isika; sarotsy gny hanaiky, mafy gny fisaraha amin'i zokiko Rabehaja Jean, alahatsy anefa isika fa tsy mpandahatsy ka manamboatsy saina ny hanaiky izany. Nenganao tokoa zahay zoky be ? Tonga nitsapa alahelo sy nankahery an'ireo fianakaviana izahay.
13/05/2026
Avy an-tanànao eto iha Maire!
MAHARARY, tena MAHARARY!
Gny hatealongo anananao dia porofoinayToliara amin'ny gny tsy fahafoizanay anao!
Mandria am-piadanana ZOKIKO TSY FOIKO
07/05/2026
Amin'ny alahelo BEVATA noho fo maharary ro agnambarako gny fahalasan'i Namako, Zokiko, mpagnanatsy ahy, zivako, Maire BEHAJA,
MAHARARY ahy, maharary antsika ka ifampizarà.
Mirary FIONONANA ho antsika vahoakan'i TOLIARA.
MAHEREZA tsika iaby
Toliara, Toliara hatrany, atolotra antsika ampitiavana ity hiran'i DA'SYL ZAYYY - "Toliara" toy. Raiky tsika iaby rolahy!
29/04/2026
Nodimandry ny Ben'ny Tanànan'i Kaominina Magniry Distrikan'i Ampanihy sady Baban'i anabavy Jocelyne. Tonga nitsapa alahelo ny fianakaviana izahay, amin'ny maha samby raiky dia ranomaso atratra tegna fe manaiky gny lahan-Janahare, izy no mandahatsy kila raha iaby. Mitrakà tsika rolahy!
ARA-PIARAHAMONINA hatrany.
28/04/2026
TOE-DRAHARAHAM-PIRENENA :
Andao isika hifamela
Andao isika hifanome tànana,
Andao isika handroso
Iray Ihany isika rehetra
Samby hotahin'Andriamanitra tsika iaby!
ZANA-BAHOAKE
19/04/2026
♦️Tonga nitsapa alahelo ny fianakavian'i Tompokovavy HANTA isika, maharary gny fotegna, alahelo itambara izy ity fa manaiky ny lahatra isika satria tsy mpandahatra. Isaorana an'Andriamanitra ny zava-drehetra. Mitrakà tsika rolahy!
ARA-PIARAHAMONINA amin'ny maha samby raiky hatrany!
18/04/2026
Miarahaba an'ireo mpiara miasa eo anivon'ny Oniversité Toliara izay nahazo mariboninahim-pirenena. Mba hoy io hoy io koa hatrany!
Click here to claim your Sponsored Listing.
Category
Telephone
Website
Address
Palais De La Région Atsimo Andrefana
Tulear
601