AMI IDEAL
Akama MIlay Iray Dia & Ezaka Amin'ny Lafatra. Musicien / Auteur/Compositeur et Chanteur
đ¶ REMILAHELOKY đ¶
Tsy voatery ho tian'ny olona rehetra isika eo amin'ny fiainana andavanandro. Misy hatrany ireo tsy mankasitraka antsika ka manaratsy, manendrikendrika ary manoso-potaka, na dia tsara sy marina aza ny ataontsika. Matetika dia ny fialonana sy ny toe-tsaina ratsy no fototr'izany.
Izany no resahin'ny hira REMILAHELOKY, iray amin'ireo sanganasan'i Olien Maximin Rehasa, mpanorina sy mpitarika ny tarika AMI IDEAL, nandritra ny seho LES TROIS AILES tao amin'ny Vakok'Arts - Alliance Française de Toliara.
âš Hafatra: Aza mamaly ratsy ny ratsy. Mila mamakafaka tsara isika rehefa misy namana rahalahy anabavy mifosa olona amintsika. Ary fadio ny mihaino feon-dakolosy tokana. Sady mba mifankatiava e, mifampitsinjova amin'ny tsara ary aza mifanendrikendrika sy tia manaratsy ny hafa. Manaova ny tsara hatrany satria ny soa atao tsy mba very.
đ â€ïž"Mifankatiava avao, aza mifanendrikendrika e!" â€ïžđ
đ¶ âLamĂŽdy Henanyâ â AMI IDEAL đ¶
Une chanson parmi tant dâautres, créée et chantĂ©e par AMI IDEAL lors de son spectacle exceptionnel « LES TROIS AILES » :
Ami Ideal new Listen â new Look â new Life â En ScĂšne
accompagnĂ© de ses musiciens et du groupe de danse ALL DIHY, lâartiste a offert au public un moment intense, riche en Ă©motions, en rythmes et en dĂ©couvertes artistiques, le 23 mai 2026, de 17h00 Ă 19h00, au Vakok'Arts Trano Alliance Française de Toliara.
Ce premier grand spectacle a Ă©tĂ© marquĂ© par une ambiance chaleureuse, conviviale et pleine dâĂ©nergie, captivant les spectateurs prĂ©sents du dĂ©but jusquâĂ la fin. Entre innovation musicale, performance scĂ©nique et partage culturel, AMI IDEAL a su laisser une empreinte mĂ©morable dans le cĆur du public.
âš Une soirĂ©e artistique exceptionnelle⊠et ce nâest quâun dĂ©but.
âš No CommentâŠ
Un spectacle tout simplement exceptionnel : LES TROIS AILES âš
Le 23 mai 2026, de 17h Ă 19h, au VAKOKâARTS â TRANO de lâAlliance Française de Toliara, le public de Toliara a vĂ©cu un moment artistique unique et mĂ©morable.
đ„ AMI IDEAL â new Listen âą new Look âą new Life âą En ScĂšne â accompagnĂ© de ses talentueux musiciens et du groupe de danse ALL DIHY, a offert une prestation scĂ©nique surprenante, innovante et pleine dâĂ©motions.
đ Pour un tout premier grand show dans la ville de Toliara, lâambiance, lâĂ©nergie et la crĂ©ativitĂ© Ă©taient tout simplement au rendez-vous.
Une expérience artistique riche en couleurs, en rythmes et en sensations fortes qui a marqué les esprits.
đ¶ Merci Ă tous ceux qui ont contribuĂ© Ă la rĂ©ussite de cet Ă©vĂ©nement exceptionnel.
Le voyage artistique ne fait que commencer⊠đ
24/05/2026
Salama daholo e đ Mirary PentecĂŽte 2026 feno fitahianâny Fanahy Masina ho antsika rehetra.
Misaotra indrindra anareo rehetra tonga nanohana sy niara-nankafy ny fampisehoana nataonâny tarika AMI IDEAL omaly teto Toliara. Nafana sy nahafinaritra tokoa ny sehatra, ary heveriko fa tsy nahamenatra ny zava-bita ho anâny fiakarana voalohany teto an-drenivohitra. Maro no gaga nahita ahy teny an-tsehatra ka nanontany hoe : âHay lasa mpanakanto ianao?â
Ny marina anefa dia tsy hoe âlasaâ mpanakanto aho, fa talenta efa tao anatiko hatraminâizay io. Tsy nivadika asa aho fa naverina novelomina sy nasongadina indray ilay lafiny zavakanto efa nisy hatry ny ela. Efa nanomboka nihira tany Betroka rahateo aho tany aminâny taona 1998-2000, indrindra taminâireo hetsika sy concert ara-piangonana.
Amiko, tsy mifanohitra velively ny maha mpampianatra sy maha mpanakanto. Mifameno aza izy ireo. Ny mpampianatra dia tsy mpampita lesona fotsiny, fa mpanabe saina sy olona. Toy izany koa ny zavakanto, satria fitaovana iray ampitana hafatra, soatoavina ary fanabeazana ho anâny fiarahamonina. Raha dinihina lalina aza, ny mpampianatra dia âartisteâ ihany koa, satria manefy sy mamolavola ny sainâny ankizy sy ny tanora ho olom-pirenena vanona rahatrizay. Avy aminâny mpampianatra no ipoiranâny dokotera, injeniera, mpahay lalĂ na, mpitondra ary na dia mpanakanto aza. Koa tsy tokony hahagaga raha misy mpampianatra manana talenta maro samihafa. Tsy mampihena ny hasinâny fanabeazana izany, fa vao mainka manitatra ny fomba entina manabe sy mitaona ny olona aminâny tsara.
Indrisy anefa fa matetika mbola tsy ampy ny fifanohanana sy firaisankina eo aminâny samy Malagasy. Maro no tsy mahay mifaly aminâny fahombiazanâny hafa, nefa rehefa misy fahoriana vao mivondrona. Raha ny fijeriko, ny toe-tsainâny vahoaka ihany koa no isanâny antony mampihemotra ny firenena, rehefa tsy tia hifanampy sy hifanosika aminâny tsara.
Na izany aza, misaotra ny rehetra nanohana anay na tsy nanohana e. Mahavelo bevata iaby rolahy e
23/05/2026
Salama iaby ry longo ĂŽ. Ko haligno fotoantsika androany @ 5 ora tolakandro na Ă 17h manomboky io a, ao @ VAKOK'ARTS TRANO ALLIANCE FRANĂAISE DE TOLIARA, FAMPISEHOANA BEVATA MIAVAKY iarahanao @ tarika AMI IDEAL sy ireo mpitendry mozika matihanina na koa hoe "Musiciens professionnels" sy ireo tarika mpandihy mitondra ny anara hoe : "*ALL DIHY*" izay tena efa pro sy fata-daza eto Toliara @ izany sehatra izany.
NB: @ 3 ora na Ă 15h efa misokatra ny vavahady ka miavia malaky tsy ho tara "place." Ho anao izay mbola tsy nahazo tapakila na billet, efa misy mivarotra izany eo @ vavahady fidirana, koa malakilaky avao tsy ho tara.
Zay e. Ambiance chaleureuse Ă 100% tsika amin'io.
20/05/2026
Un grand merci Ă mes nouveaux followers ! Cindy Tml ShÄd, Suzia Emila, Liot Parany, Jean Baptiste Razafimahatratra, Mayo Man, Hastella HN, Mitantsoa Hasimbola Faniry, Nirina Harry Eddye, Declerckl Frederic, Elliot TJ, Hafasoa Augustin, Michel Solofo, Nolwen Farezia, Muharo Mozika, Mamy Nirina, Pappa Maellyh, Patricia Nomenjanahary, Maro Nna
Ny tarika đ„AMI IDEALđ„ dia isanâireo tarika mivoy ny mozika "*tropical*" sy ireo gadona Malagasy maro samihafa, indrindra ny Tsapiky, izay trandrahiny sy havaoziny ho aminâny endrika vaovao antsoiny manokana hoe : KaLaTsaKi.
đ¶ Fa inona marina ny hoe: KaLaTsaKi ?
Tsy anarana fotsiny izy io, fa hafatra sy vinan'ny tarika :
đ âAza ariana ny kolotsain-drazantsika, indrindra ny mozika Malagasy.â
Ny hoe *KaLaTsaKi* dia fitambaranâireo gadona nentin-drazana avy aty Atsimo :
đ”Ka = Karitaky
Gadona mozika mampiavaka ny Bara izay ahitana amponga maromaro miaraka aminâny sodina sy antsa nentin-drazana.
đ”La = Lalibanda
Fandihy sy tsinjaky nipoitra avy aminâny fiainanâny mpiandry omby sy ny gadona Karitaky, mampiavaka azy ny fihetsika sy rekipalopalotsy tongotra. Izany hoe anarana lalitr'aomby izy io iza mazana tia mipetaka eny Amin'ny tongotra ary manaikiitra mitsetsitra rĂ , ary mangidihidy izay avy nokaikeriny. Ka ny tongotra ilany izay tsy misy azy ihany no ikapohan'izay kaikeriny rehefa tsy hampiasa tanana ihany ireo mpiarakandro. Ary lasa nampiasain'ireo mpitsinjaky Karitaky izany "*terme : Lalibanda*" izany ho fomba fandihy na fitsinjaky Amponga na Karitaky.
đ”Tsa = Tsapiky
Gadona izay vao haingana sy tsy ela akory izay no nahazo fankatoavana iraisam-pirenena ho harem-bakoka tsy azo tsapain-tanana ny Tsapiky. Gadona mozika mampirevy sy mampihetsika fo sy vatana izy.
đ”Ki = Kilalaky
Gadona mafana sy velona, mitondra hafaliana sy angovo miavaka.
âš Samy manana ny maha izy azy ireo gadona ireo, ary entinâny Leader de Groupe AMI IDEAL hitambatra ao anatinâny endrika vaovao iray antsoiny hoe: "*KaLaTsaKi*".
Mozika mampiray ny nentin-drazana sy ny fanavaozana.
Mozika mampihetsi-po sy mampitsangana ambiance vaovao eto Toliara.
đ
23 Mey 2026 â aminâny 5 ora folakandro
đ Ao aminâny Vakok'Arts Alliance Française de Toliara
đ„ Tongava hiaina ilay :
FAMPISEHOANA LEHIBE MIAVAKA
âLes Trois AILES : Ami Ideal â new Listen, new Look, new Life En ScĂšneâ
đ€ Tsy hijery spectacle fotsiny ianao fa :
â
Haheno mozika vaovao
â
Hahita endrika vaovao
â
Hiaina feeling sy ambiance vaovao tanteraka
đ„ Ambiance assurĂ©e Ă 100% !
Izay tsy ho avy⊠mbola hanontany hoe :
đ âFa inona marina ilay KaLaTsaKi ?â
đ¶ AMI IDEAL â Mitahiry ny maha Malagasy, manavao ny mozika.
Izao anio! Miavia maro.
Click here to claim your Sponsored Listing.
Category
Website
Address
Mdagascar
Toliary
601