Doris Rabemanantsoa
CONSEIL - FORMATION -ORIENTATION
🏆Tsy maintsy ho Tafa isika🏆
30/04/2023
🗣️TENENO IZAY ZAVATRA TIANAO HITRANGA AMINY FIAINANAO🗣️
🗣️Isa-maraina dia zaro ny vavanao hamafy teny positif amin'ny tenanao.
Zaro ny molotrao hamafy voa tsara amin'ny fiainanao.
🗣️Ny teny dia tahaka ny voa rehefa afafy dia maniry ary mahavokatra.
Tsara ho tadidintsika foana fa Tsy niandry ny mazava nitranga Andriamanitra vao niantso mazava fa tao anaty haizina no niantso hoe misia ny mazava...
🗣️Koa sahia amafy voa tsara amin'ny tenanao.
Teneno izay zavatra tianao hitranga androany.
Teneno izay zavatra tianao ho hita androany.
MAHERELA MILAZA HOE:
Mahomby aho...
Manan-karena aho...
Mandresy aho..
Salama aho...
Vitako io...
TSY MAINTSY TAFA AHO.
MIRARY ALAHADY HITONDRA NY SOA SY NY TSARA HO ANTSIKA REHETRA
19/03/2023
🚨RAHA TE HO TAFITA🚨
Raha te ho tafa :
🔴 Aza kamo miketrika.
Sahia miketrika fa ao no misy ny hena.
Sahia miketrika fa ao no misy ny vola
Sahia miketrika fa ao no misy ny fahombiazana. Betsaka ny manana fahalalana sy diplôme resin'ny olona miketrika satria ny vokatra no mikaonty amin'ny fiainana.
🟡 Aza matahotra vavan'olona.
Matahotra ve ianao hivarotra voanjo sao hitan'ny namana?
Matahotra ve ianao hivarotra m**o akondro sao hitan'ny mpiara-nianatra taminao?
Anisany tsy mampanjary izay fa tandremo, fiainanao io dia ianao no mila mahafantatra ny zavatra tokony hataonao mba hampivoatra anao 🟢Manàna nofinofy ambony
Tsara ny mahay mionona fa aza atao hampijanona anao amin'ny toerana misy anao androany izany.
🔵Aza menatra amin'ny fahantranao.
Aza mamorona ny tsy misy.
Raha misy vahiny ka tsisy hena dia ataovy amin'izay misy aloha fa aza mamorona.
Raha mirevy ny namana ka tsy manam-bola dia ndana mody.
Izay ny torohevitra vitsivisty fa tadidio foana fa misy dingana io ary ny fahantrana io dia mandalo ka raha miezaka miketrika sy mivoatra foana Isika dia hanjavona anatiny fotoana fohy Izany fahantrana Izany tsy maintsy TAFA ianao.
TSY MAINTSY TAFA ISIKA de MIRARY ALAHADY FENO FAHASOAVANA HO ANAO INDRAY E
07/02/2023
🧠Ny fisainana mpanakarena no mila ananana raha te hiala amin'ny fahantrana🧠
❌Tsy ny fananana vola be akory no ilaina raha te ho mpanakarena fa ny fanananao ny toetsaina mpanakarena.
Ireto avy ary ny fomba fiainana mpanakarena tiako zaraina aminareo ary mahasoa raha alahintahaka.
💡 Misafidy ny mamaky boky raha tokony hanaraka vaovao tsy mahasoa. Tia mamaky boky ny mpanakarena satria ao ny fahalalana tena ilaina aminy fiainana andavanandro.
💡Misafidy ny mampitombo fidiram-bola.
Ny mahantra mampitombo ny vola mivoaka aminy alalan'ny fividianana zavatra etsy sy eroa fa ny mpanakarena kosa mifantoka aminy actifs na zavatra hahafahany mampitombo foana ny vola miditra.
💡Miaina aminy fanaovana budget.
Na mbola kely ary ny volany dia tsy hadinony mihitsy ny manao budgét mba hahitany ny lalana nandehan'ny volany ka misy hanovany famindra. Ny mahantra kosa tsy manao budget
💡Tsy tia manangona
Raha izy zay manangona dia mba hiarovana aminy tampoka fa ny ankotrizay dia ampiasainy satria mahafantatra izy fa ny vola dia fitaovana hanampy azy hiasa fa tsy hanandevo azy foana. Ny mahantra kosa manangona fa tsy sahy mampiasa.
💡Mampiasa ny trosa fa tsy ampiasain'ny trosa.
Mampiasa ny trosa izy satria iny volan'olona ampiasainy iny iany no hamerenany ny trosa nalainy fa ny toetsaina mahantra kosa satria mitrosa izy dia ny vatany no miasa mafy manonitra ilay trosa sy ny zana-bola averina
💡 Manome lanja ny harena tsy hitamaso.
Ny mahantra raha harena no resahana dia ny harena hitamaso foana ( trano, fiara, fitaovana sns… ) fa ny mpanakarena dia ny ao anaty ka izay mahatonga azy mandany vola mameno fahalalana ao anatiny. Izay mahatonga azy mahita zavatra atao foana na kely ny volany na betsaka , izay mahatonga azy tsy ho mahantra mihitsy satria ny harena ao anatiny tsy ho very na atahorana ho main'ny afo mihitsy.
Ny fanananao an'ireny toe-tsaina ireny fotsiny dia hanova sy hanatsara ny fiainanao mankany aminy fahombiazana.
🎯Tsy maintsy TAFITA ianao, Tsy maintsy TAFA Isika
06/02/2023
⏰Harem-be tsy voavidim-bola amin-karena ny fotoana, azonao maimaim-poana, saingy raha verivery foana dia tsy misy azonao atao azy intsony satria ny lasa tsy miverina intsony⏰
Dieny mbola fotoanany izao ary dia araraoty ny fotoana anananao.
Mirary soa.
Tsy maintsy TAFA Isika
23/01/2023
🎯INONA NO SAKANA AMINY FANATANTERAHANAO NY PROJET NAO🎯
Maro dia maro no nandefa hafatra miafina hoe ahoana no ahitana vola anaovana projet fa izahay mba te ho TAFA.
Ka indro hozaraiko ity hoentiko amaly ny fanotaniana.
➡️Ny zavatra tsara faritana voalohany dia ny hoe tena tsy manam-bola marina ve ianao?
Sao manko ka tsy maha Maika anao ny vola hanangananao ny tetikasanao na ny projet Kasainao.
Betsaka aminy olona no milaza tsy manam-bola nefa finday lafo vidy no eny ampelatanany.
Miteny tsy manambola nefa manofa trano lafo vidy, Milaza tsy manambola nefa Mbola mahavita misotro toaka miaraka aminy akama ...sy maro hafa. Mila faritanao tsara Sao dia tsy priorité aminao ny projenao.
➡️Ao koa ny milaza fa tsisy fotoana nefa mahavita manao facebook adiny iray na roa isan'andro.
Koa izao Ary tiko zaraina amintsika fa raha vao hanomboka ny projet-nao ianao dia Aleo tsy mi satria n'y vitsy anisa tam'ireo nindrana vola iany no tena lasa lavitra amin'ny fananana orinasa fa ny 85 % dia olona nanomboka tamin'ny eo ampelatanana daholo.
Atombohy amin'izay eo antananao ny tetikasanao aleo mihitsy aza mamarotra ny zavatra tsy dia important aminao toy izay hihindrana.
Tsy mampaninona ny mivarotra an'io moto Io, mivarotra io findainao io raha io no hahatanteraka ny tanjona ka rehefa Mandeha ny zavatra ataonao dia mividy ndray.
Raha tena tsy mahita fika hanombohana fa tena mila vola dia aleo ary miasa aloha dia miezaka manangona. Aza menatra miasa amin'olona na mpiasa trano na hiasa posy, na hivarobarotra...
Tsisy mahamenatra izany fa ny hatafita a ao foana no tanjona . .
➡️Koa dieny izao aza miandry manana vola be fa atombohy na kely aza.
Anao vao maniry hanomboka: Fa anao ny safidy mindrana ve no mety aminao sa mampiasa izay kely anananao?
Anao efa nahatsanga kosa: nihindrana ve ianao sa Nanomboka amin'izay nisy taminao?
Zarazarao mba hifanakalozana hevitra.
Izay kosa dia Mbola hanohy ny hiezaka ny hizara ho antsika mirary soa Ary de ataovy antsaina fa Tsy maintsy TAFITA ianao, Tsy maintsy TAFA isika.
09/01/2023
💵Mila Miezaka mba hanana loharanom-bola maro💵
Herinandro vaovao, Samy miroso aminy fitadiavam-bolany avokoa isika rehetra ny Zavatra tokony ho fantanao fotsiny dia ny hoe voa mifoha maraina fotsiny ianao dia efa manomboka mamoaka vola tsikelikely:
💡mamelona jiro ianao efa mamoaka vola ho an'ny Jirama.
-Mampiasa kojakoja toy ny dentifrice, savony, ianao dia efa mamoaka vola ho an'ny orinasa mpanamboatra an'izy ireny.
-Mivoaka ny trano ianao ka mitady fiara fitanterana dia efa mampidi-bola ho any station d'essence sy ny tompony fiara.
Izany hoe Io Zavatra madinidika ataonao ireo Dia mamoaka vola ho any orinasa maro isan-karazany. Ka noho izany dia mila mampiditra vola ianao mandritra ny tontolo andronao, mba afahanao maharaka an'ireo filanao ireo.
mipetraka aminao ny fanotaniana :
- Ianao mikarama isam-bolana io, mahasahana ny vola mivoaka ve ny karamanao?
-Ianao Mampidy bola aminy asa andavandro, mahavoaloa ireo laninao indray andro ve ny vola miditra aminao?
Ny tsy anasa moa dia tsy hita izay azo anotaniana...
Ka noho izany Hiandry karama faran'ny volana ve? Sa Hiankina amina loharanom-bola iray ?
Raha ny tsapako mantsy dia mila miasa ny mpivady ankehitriny vao mahavelona tokantrano iray. Izany hoe loharanom-bola roa.
Ka raha izany ny zava-misy dia tokony hitady mandrakariva loharanom-bola hafa isika hanampiana ny efa ananatsika.
Mety ho betsaka ny sacrifice tsy maintsy ho atao mba havitana izany fa kosa Manasa anao aho mba hanana jery lavitra, mametraha tanjona amin'ny fiainanao, manaova planina ary mandraisa dingana tsikelikely mifanaraka amin'izany mandrakariva.
Aza miankindoha amin'ny lova avy amin'ny Ray aman-dReninao fa mivonòna kosa hametraka lova ho an'ny taranakao.
Averiko foana hoe: Mahaiza manetritena fa ny fanentrehan-tena no mialohan'ny fisandratana.
Ary araho vavaka vavaka foana foana ireo zavatra ataonao.
Koa amin'izao maraina vaovao izao mipetraka aminao hatrany ny safidy, hijanona amizao sa hampiakatra loharanom-bola hafa.
Izahay dia hanampy anao hatrany aminy toro lalana eto aminy pejy fa kosa ianao no tompony fanapahan-kevitra hanova ny tantaranao
Hanomboka aminy farany ny herinandro izao ny fampianrana eto aminy pejy ka manasa anao hanaraka tsy tapaka fa hitondra soa ho anao izany.
Tsy maintsy TAFITA ianao, Tsy maintsy TAFA isika.
06/01/2023
ISAFIDY HANANKARENA SA HIJANONA MAHANTRA?
Tsy moramora ny mahatonga hanankarena
Tsy moramora ihany koa izany mijanona mahantra izany.
Kao ny fanotaniana tokony ho apetraka dia ny hoe: raha Samy tsy ho mora ihany, hisafidy ny ho mpanakarena ve sa ny hijanona mahantra?
05/01/2023
ғᴀɴᴛᴀʀᴏ ɪʀᴇᴏ sᴀᴋᴀɴᴀ ᴛsʏ ᴍᴀᴍᴘɪᴠᴏᴀᴛʀᴀ ɴʏ ғɪᴀɪɴᴀɴᴀᴏ
Zava dehibe ny ahafantaranao inona no mety antony niteraka sakana tsy nahavitanao zavatra hatrizay ka hatramin'izao, sakana izay tsy nampivoatra ny fiainanao, tsy nitondra vokatsoa taminao.
Ny valiny dia mety maro ny zavatra navariana anao sy mandany ny fotoana anao fotsiny nefa tsy nitondra vokatra, ohatra fotsiny hoe:
Variana nitsikera fiainan'olona ianao, Variana tato @ facebook, Variana nijery film sy serie,Variana nirevy, Tsy sahy nandany vola mba hampiakatra ny fahalalana, variana aminy rendrarendra ka tsy nametraka tanjona....
Ry namako, ry havako
Mety ankoatra ireo ny antony fa rehefa fanatatrao fotsiny ireo sakana taminy tsy fahombiazanao dia fotoana izao hanovano zavatra, fotoana izao handrosoanao, anjaranao izao no ho tafita.
Manomboka izao dia mila mihetsika ianao,
Mila mametraka tanjona Mazava tsara
Mila mandray fanapahan-kevitra ny hiova
Mila miala aminy Zavatra efa mahazatra izay tsy nitondra vokatra.
Tsarovy ary fantaro fa raha ny zavatra nataonao iany no ho ataonao dia tsy misy fiovana ho hitanao izany .
Mino Aho fa raha mahita an'ity ianao androany dia efa nisy dingana vitanao sahady satria hanova fomba fijery, fomba fisainana ary hampirisika anao hanavao sy hanatsara ny situation misy anao ankehitriny aminy tsara tsara kokoa io toro-lalana io.
Courage fa tsy maintsy tafita ianao, tsy maintsy TAFA isika.
04/01/2023
𝐅𝐚𝐧𝐭𝐚𝐫𝐨 𝐚𝐫𝐲 𝐬𝐚𝐟𝐢𝐝𝐢𝐨 𝐭𝐬𝐚𝐫𝐚 𝐧𝐲 𝐦𝐚𝐧𝐨𝐝𝐢𝐝𝐢𝐧𝐚 𝐚𝐧𝐚𝐨.
-Tafa foana ianao raha toa ka olona mahomby no manodidina anao.
-Matanjaka foana ianao farany raha olona matanjaka no iarahanao anao.
-Be ny chance hatsangananao zavatra raha olona efa nahatsangan-javatra sy manana traikefa amin'izany no manodinina anao.
Zava dehibe ny fahaizanao misafidy ny olona manodidina anao ka ny safidinao androany dia antoka ny hoavinao rampitso.
Harao ary ny pejy fa hanampy anao ahita namana mahomby vaovao.
Tsy maintsy tafita isika, tsy maintsy Tafa ianao.
Click here to claim your Sponsored Listing.
Category
Contact the public figure
Telephone
Website
Address
Toamasina
501