ILEM
Asa soratra
28/04/2026
🫶❤️
26/04/2026
Mivavaka ho anao ry ilay nandratra ny ato am-poko
Mba ho sendra olom-banona sy tena fanaperana
Izaho no tena diso fa tsy ianao nampitoloko
Izaho no mora nambakaina fa satria be fandeferana.
Mivavaka ho anao mba tsy hahita toa ahy intsony
Izaho izay nahay nanaja sy nikatsaka fiadanana
Ho tojo ilay be lobaka no sady olona ambony
Dia olona mihaja no sady mahay fianarana.
Mivavaka ho anao ry ilay nahatonga ahy ho nijaly
Ilay nametraka ny toerako any aorian'ny olon-kafa
Tsy manozona aho fa kosa maniry mba hivaly
aminao ireo zava-bita,
Dia hiriako ianao hahatsapa
Fa ianao no nahasimba ilay tena tantaratsika.
ILEM 🫶
25/04/2026
🌹 Fehezanteny isan'ny ahatsiarovanao an'i ILEM. Indrisy anefa fa hatreto dia tsy mbola nahaforona tononkalo misy azy ito mihitsy aho.
Angamba indray andro any... 🥹🫶.
24/04/2026
Ao anaty fahanginana ao dia misy fahasambarana tsy takatra takarina
Misy fivoarana mitombo tsy ankijanona
Dia misy filaminana sy fitoniana lalina.
Ao anaty fahanginana ao no misy koa ilay lalana
Voasoratra ho anao, hahatonga anao ho mendrika
Ao anaty fahanginana no tena fivavahana
Ka handrenesanao ireny famelàna heloka.
Ao anaty fahanginana... ❤️
ILEM ✍️
24/04/2026
Hadinoy ny lasa dia ny ho avy indray no isaino
Fafao anaty saina izany hoe tsy ho tafa izany
Andriamanitra hitarainana raha toa ka tsisy mpihaino
Fa Izy ho eo hatrany, dia tsy hamela anao tomany...
Hadinoy ny lasa dia ny anio no andeha hasandratra
Ezahana ho tsara mba ho rehareha rahampitso
Tsy maintsy misy lesoka satria koa mbola mianatra
Saingy 'ndao ezahana ho tena vitsy diso
ILEM.🖤
Feno anao ny amiko rehetra
Lasanao, tsy asiako fetra. ❤️🫶
28/03/2026
Maro tena maro no nilaza ho tia ahy teny
Nisy koa nitia mangina sy tsy mba sahy namboraka
Fa saingy ianao no tojo an'ilay valin-teny hoe eny
Ka matoa nanaiky anao aho, manantena fa tsy ho potraka
Sy ho alavonao indray andro.
Maro tena maro ireo teny izay nambabo
Nafafin'izy ireny mba hakàna ny fitiavako
Fa ianao angamba ilay lahatra natolotry ny Avo
Ka vao nahita anao aho dia tsy tanako ny vavako
Nanolotra ilay “eny”.
Safidy ianao malala, ka iriako tsy hanadala
Na betsaka mpitsara sy mpanondro ho olon-dratsy
Dia hajaiko foana foana satria fantatro tsara
F'ianao ilay tena vonona hitoetra ho andefimandry.
ILEM 🫶
23/03/2026
Androany ilay rahampitso nampanahy anao omaly.
Dia rahampitso koa ny omaly mampanahy anao anio.
Dia io ianao androany...
Mbola manahy hatrany
ny ho avy sy ny ampitso.
Maninona raha miaina e?
Ndeha mba hankafizo aloha
Izay zava-misy androany
fa tena fanomezana.
Raha tonga ny ampitso
mampanahy androany dia
hivalona ny anio,
ho toy lasa ihany.
Ka aza avela ho "omaly" izao ora eto izao
izay vao ho hanembonanao.
Fa tairo dieny izao...
ILEM ❤️
21/03/2026
Tahaka izany ny eto...
Rehefa tena tia ianao ka vonona ny hanaja
Dia iny izy fa miala fa tsy vonona hitoetra
Avy eo mamitaka azy ilay olona tiany hafa
Dia lazainy fa alika ny bandy rehetra rehetra
Tahaka izany ny eto...
Misy tena hendry sady tia azy amin'ny fo
Fa ilay efa manan-tompo no tiany mba ho azy
Rehefa voadaka avy any sady potika tokoa
Vao miteniteny foana sy manozona ny bandy
Sasany amin'ireo vehivavy... 😮💨
ILEM ❤️
21/03/2026
Tsy voatery ho namana ireo izay mitsiky rehetra
Fa amin'izy ireny koa dia misy tena sandoka
Mazàna toa tsy fantatra fa miovaova toetra
Miatsara ivelatsihy no sady koa manafin-tandroka
Ka mila ianao mitandrina
Dia mila ianao mba malina
F'aza mitoky loatra amin'ny ankoatran'ny neny
Fa tsy menatra hivadika sy hanary raha ireny
(Rehefa tonga ny ady sarotra)
Tsy voatery ho namana izay olo-mahafinaritra
Sy koa mahay misarika amin'ny endrika ivelany
Ataovy an-tsaina foana fa izy tsy andriamanitra
Fa olombelona ihany, mety haloto koa ny tenany.
Tsy voatery ho namana ireo izay mitsiky rehetra
Saingy izany tsy midika hoe hafeno be ny nify
Fa manasa anao hitandrina sy hanisy tarigetra (aho)
Hoe « fantaro ny hatokisana, halaviro ireo izay tsy izy ».
Dia hilamina ny sisa...
ILEM ❤️
19/03/2026
Tsy ilay manenjika isam-behivavy
No hamaritana ny hoe tena bandy
Fa ilay mihazona ilay eo an-tanana
Sy manaja ilay iray izay hananana.
Tsy ilay mampirafy, miseho ho beloha
Kanefa tsy mahay izay mahasoa
Fa ilay mahay misafidy izay mendrika
Ka hanarina raha sendra rendrika.
ILEM ❤️
17/03/2026
Tsy mbola diso mihitsy raha nitoky Taminao
Hatramin'izay ka hatramin'izao
Ka eto indray androany,
mbola mahatoky hatrany.
Na mafy aza ry Raiko ny ady izay hatrehako
Dia Ianao no reharehako, Ianao no hianteherako
Ka mba ampio hiarina aho raha sendra ka mianjera
Rehefa sendra ka solafaka aho, mba tantano sy aza avela
Fa eto indray androany,
mbola mahatoky hatrany.
ILEM 🖤
Click here to claim your Sponsored Listing.
Website
Address
Majunga