PCMM-Section Fianarantsoa
Plateforme des Cadres Musulmans de Madagascar
01/02/2024
Alhamdoulillah 🤲
🌐 Anio Alakamisy 01 febroary 2024 teny amin'ny Biraon'ny BNM Behoririka no notanterahina ny Fanaovan-tsonia ny Fifanarahampiaraha-miasa eo amin'ny Plateforme des Cadres Musulmans de Madagascar PCMM sy ny Bureau des Normes de Madagascar BNM ity farany izay rafitra ao anivon'ny Ministeran'ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra ary ny Fanjifana.
📑 Ny fifanarahampiaraha-miasa dia miompana amin'ny Famoahana ny ara-panjakana izay iandraiketan'ny BNM ka nisafidianany ny PCMM ho mpiara miasa matotra sy maharitra amin'izany taorian'ny fankatoavana nomen'ny Fikambanan'ny Silamo Malagasy FSM an'ity farany mba hisolo tena ny Fiarahamonina Mozilomanina amin'izany.
⏳ Efa an-taonany maro no nikatsahana sy nanomanana izao fiaraha-miasa izao ary nisy ireo dingana sy Fiofanana maro nolalovan'ny PCMM vao Tonga amin'izao fanaovan-tsonia izao.
✅ Tombony ho an'ny rehetra ary indrindra ho an'ny Firenena izao Fiaraha-miasa izao izay ampiarina manerana ny Nosy ary ahafahana miara miasa ihany koa amin'ireo mpisehatra avy any ivelany.
25/07/2023
📣Ho antsika mpianatra indray izao 📢
🗓 Formation conception CV Pro et Moderne 📑et Rédaction LM pertinente 📃
📆 ny Sabotsy 05 août ho avy izao
📌ao amin'ny Salle d'études AEMUF 🕌 (enceinte Mosquée Andrainjato)
📝Inscription par MP eto amin'ny Page PCMM-Section Fianarantsoa sy ny page AEMUF
📞: 034 15 128 26
🌟Tongava maro !!!
02/05/2023
Inna Lillahi Wa inna ilaiHy Rajiouna,
Amin'ny alahelo lehibe no ampahafantarana antsika rehetra fa ny namanay Jico Elysé RAKOTOHARIMALALA mpikambana ato amin'ny PCMM dia nindaosin'ny fahafatesana rehefa avy niady volana maromaro tamin'ny aretina nahazo azy.
Ny PCMM-Section Fianarantsoa dia miara ory tanteraka amin'ny fianakaviana ary mangataka amin'ny Tompo ilay nahary mba hamindra fo sy hamela heloka aminy.
Eny izahay dia an'i Allah ary any aminy no mbola hiverenanay 😭😭😭
Click here to claim your Sponsored Listing.
Category
Website
Address
Fianarantsoa
301