2RF MUSIC

2RF MUSIC

Share

🎧 2RF MUSIC
Label & Production musicale
🔥RNB • Rap • Afrobeat • Hira Gasy
📞 Contact : 034 40 945 06
📲 WhatsApp disponible 034 40 945 06

10/05/2026

Betsaka ny lalana nodiavina.Betsaka ihany koa ny olana fa tsy natao hahakivy fa nandroso fona.
10 taona izao ny tarika.Niverina indray i TrH anisany fondateur.
Manomana zavatra maro.

04/05/2026

Indraindray misy ilay olona 1 tsaroana foana iny na efa ho firy taona aza no tsy teo intsony.Mba mentionné eo ny akama bonne anareo hijerevanay izato hamanjany sy ny bogossité ny ry tary😂😊

01/05/2026

Tratry ny fetin'ny asa e!!
Ataovy milay ao fa sady tonga de week-end lava be no mitaty antsika.🙏😉

27/04/2026

Mention spéciale à mes nouveaux(elles) super fans ! St Nofi's, Nofy Arilala, Lalaonirina Edwige, Dymbi Ravelomaka

Photos from 2RF MUSIC's post 23/04/2026

🎤 LIVE TAOM-BAOVAO 2017 🎶

Fotoana tsy hay hadinoina… 💭
Tamin’io no fampisehoana voalohany nataon’ny tarika. Na dia mbola hira 2 monja aza no anananay tamin’izany fotoana izany, dia niezaka izahay nampifaly anareo tamin’ny alalan’ny hiran’olona hafa.

🔰 Niainga tamin’ny tsotra indrindra:
– Zavamaneno mbola vitsy 🎸
– Fitaovana mbola tsotra 🎚️
– Fa fitiavana mozika sy fahavononana no tena nanan-kery ❤️

Ankehitriny, tsaroana am-pireharehana izany fiandohana izany 🙏

Mirary soa hatrany ho an’ny tarika!
Indrindra ho anareo rehetra izay nanohana sy mbola manohana hatramin’izao — ianareo no hery manosika anay tsy hitsahatra 💪🔥

🙏 Mankasitraka indrindra!

🎶🇲🇬

20/04/2026

🔥 MIOMÀNA DAHOLO! 🔥

Tafiditra tanteraka ao anatin’ny fanamarihana ny faha-10 taona an’ny 2RF MUSIC 🎉🎶 ny hetsika manokana ho avy tsy ho ela!

Misy zava-baovao sy tsy ampoizina ho entinay ho anareo mpanaraka rehetra… ary anisan’izany ny lalao lehibe izay ahafahanareo mandray anjara sy mahazo loka 🎁🔥

👉 Koa aza tara:

Ataovy j’aime ny page 👍
Araho hatrany ny vaovao rehetra 👀
Zarao amin’ny namana 📲

⏳ Ho avy tsy ho ela ny fanambarana ofisialy… miomàna fa hisy zavatra goavana!

19/04/2026

Anniversaire❤
10 Ans🎂🎂⏳

15/04/2026

Eny tompoko 🙏,

Tsy ho hainay mihitsy ny tsy hisaotra anareo mpanaraka ny pejy noho ny fankaherezana sy ny fitiavana nasehonareo tamin’izao fahalasan’ny namanay izao ❤️.

Ny fiarahamiory sy ny teny mamy nataonareo dia nampahery anay tokoa, nahatonga anay hahatsapa fa tsy irery izahay 🤝.

Maniry izahay mba hiverina ho soa aminareo tsirairay avy izany hatsaram-panahy rehetra izany ✨, ary hoesorin’Andriamanitra aminareo anie izay rehetra ratsy 🙏.

Manomboka eto, dia hiroso amin’ny tanjona vaovao ny tarika 🚀, hitondra zavatra tsara kokoa sy mahery vaika kokoa ho anareo 🎶🔥.

Na izany aza, ho velona ao am-ponay mandrakizay ilay namanay 💫 — izy no hery manosika anay hanohy sy hanatsara hatrany.

Mbola betsaka ny ho avy… ary ianareo no herinay lehibe indrindra 💪❤️

Mankasitraka hatrany!

12/04/2026

Ny 2RF Music Dia miondrika eo amin'ny Fahalasan'ny namana izay nanao fampiaraha-peo tato @ tarika, Mandriam-piadanana Mon Frère 😭😭😭

Want your public figure to be the top-listed Public Figure in Fianarantsoa?
Click here to claim your Sponsored Listing.

Category

Address


Fianarantsoa