Yri Rkt
Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Yri Rkt, Entrepreneur, Antananarivo.
25/03/2026
Loading.....
Aza miala lavitra intsony ry vahoaka Malagasy...
25/03/2026
Bon vent ho an'izay Ministre rehetra voatendry eo,
Mahatoky anareo vahoaka Malagasy,
Ho any Tanindrazana,
22/03/2026
Ny polygraphe (na “détecteur de mensonges”) dia fitaovana ampiasaina hijerena raha mety milaza marina na mandainga ny olona iray.
🔍 Ahoana ny fiasany?
Rehefa ampiasaina ilay polygraphe dia:
Refesiny ny fitempon’ny fo
Jereny ny tsindry rà
Arahi-maso ny fifohana rivotra
Indraindray koa ny hatsembohana
👉 Rehefa mandainga ny olona dia mety miova ireo zavatra ireo (ohatra: miakatra tampoka ny fitempon’ny fo), ka izany no ampiasain’ilay milina hamantarana “fandaingana”.
Ity ary ny fomba fanaovana test polygraphe amin’ny olona iray 👇
🪑 1. Fametrahana ilay olona
Ampipetraka amin’ny seza ilay olona dia ampifandraisina amin’ilay milina:
Fehikibo eo amin’ny tratra (mijery ny fofonaina)
Fitaovana eo amin’ny sandry (tsindry rà)
Sensor amin’ny rantsan-tanana (hatsembohana)
❓ 2. Fanontaniana tsotra (contrôle)
Voalohany dia manontany zavatra fantatrao tsara:
“Tahiry ve no anaranao?”
“Lehilahy ve ianao?”
👉 Ireo no ampiasaina ho refy mahazatra (baseline)
🔍 3. Fanontaniana tena izy
Avy eo vao manontany zavatra tiana ho fantatra:
“Ianao ve no naka ilay zavatra?”
“Marina ve fa nanao an’io ianao?”
👉 Eto no jerena raha misy fiovana amin’ny vatana (stress)
📊 4. Famakiana ny valiny
Ilay milina dia manoratra “graph”:
Raha mitombina sy milamina → mety milaza marina
Raha miakatra tampoka (fo, hatsembohana…) → mety mandainga
⚠️ Zava-dehibe:
Tsy midika ho mandainga foana raha miova ny vatana (mety noho ny tahotra fotsiny)
Tsy azo antoka 100% ilay izy
Mila olona efa zatra mamaky azy (expert)
🧠 Ohatra tsotra:
Raha manontany hoe: 👉 “Nangalatra ve ianao?”
Raha milamina → mety tsy nanao
Raha mikorontana ny vatana → mety misy zavatra afenina
22/03/2026
🚨🔥 GRANDE FINALE SMATCHIN 🔥🚨
Tsy misy miverina intsony…
Ity no fotoana hanoratana tantara! 🏆🏀
💥 Université iray ihany no hiakatra ho CHAMPION
💥 Fa iza no tohananao?
👇 Soraty ao anaty commentaire izao:
“IZAHO DIA MIARAKA AMIN’NY [ANARAN’NY UNIVERSITÉ] 🔥”
Asehoy ny hery, asehoy ny firehetan’ny fo! 💪
Ataovy mihorohoro ny terrain! 😤🔥
⚠️ Ny supporteur no manome hery ny ekipany!
ALEFA 🏀🔥
20/03/2026
Loading ....😁
Inona mety ho résultat 😅
20/03/2026
🌙✨ Eid al-Fitr Mubarak ✨🌙
18/03/2026
🔥 NY AFO TSY MATY SY NY TAOMBAOVAO ALAHAMADIBE 2026 🔥
Indro ny antsipiriany momba ny Taombaovao Malagasy Alahamady 2026:
🌗 Ny Tsinam-bolana Alahamady
Alakamisy 19 Marsa 2026
@ 04:23 maraina
Io no fotoana tsinana ny volana, izay heverina ho fanombohan’ny Taombaovao Alahamadibe
🔥 Ny Afo Tsy Maty
Ny alin’ny Alarobia 18 Marsa hifoha Alakamisy 19 Marsa no fotoana iandrasana ny tsinana.
Tsy avela ho faty ny afo mandritra io alina io mandra-pahatongan’ny tsinana (04:23 maraina).
Maneho ny fitohizan’ny aina sy ny fandresen’ny hazavana ny haizina izany.
🔥 Ireo fombafomba amin’ny andro Taombaovao
💧 Fandroana (Foforan-drano) – fanadiovana ara-panahy sy ara-batana.
🍚 Ny Tatao – vary amin-dronono sy tantely ho mariky ny fitahiana sy ny tondra-dronono.
🤝 Fifampiarahabana – fifampitsofana rano sy fanaterana Hasina.
"Ny taona mitsidika, ny soa mitosaka; ny ratsy miala, ny tsara miditra."
✨ Mirary Taombaovao malagasy feno hasina sy fitahiana ho an’ny rehetra!
Mitomboa hasina jiaby 🙏
16/03/2026
Mbola tanora aho… fa ny nofiko dia lehibe.
Manonofy aho indray andro any ho afaka hitondra andraikitra lehibe ho an’ny fireneko: ho filoha governemanta, filoha andrim-panjakana, na filoha firenena mihitsy aza.
Tsy noho ny fahefana na laza akory izany no manosika ahy, fa noho ny fitiavana lalina an’i Madagasikara sy ny faniriana hahita ny firenentsika handroso, hahita ny vahoaka Malagasy hiaina amin’ny fiadanana sy fahombiazana.
Fantatro fa mbola lavitra ny lalana, mbola betsaka ny tokony hianarana, ary mbola maro ny ezaka takiana.
Saingy mino aho fa ny mpitarika tena izy dia tsy teraka ho mpitarika, fa manomana ny tenany ho amin’izany.
Raha misy nofy ao am-po, ary arahina faharetana, fahasahiana, asa mafy, ary finoana an’Andriamanitra, dia tsy misy nofy lehibe loatra ka tsy ho tanteraka.
Angamba ankehitriny dia nofy fotsiny…
Fa rahampitso mety ho andraikitra ho an’ny firenena. 🇲🇬
13/03/2026
Indraindray ny olona mety hanontany hoe: “Ahoana no hahatanterahan’izany nofy izany?”
Tsy manana harena be aho, tsy manana hery manokana, ary mety tsy manana ireo zavatra rehetra takiana hahatongavana amin’izany toerana izany.
Fa misy zavatra iray tsy azo esorina ato am-poko: fitiavana lalina ny tanindrazako, Madagasikara. 🇲🇬
Izany fitiavana izany no mampanofy ahy fa indray andro any, raha sitrapon’Andriamanitra sy noho ny ezaka ataoko, dia afaka manompo ny fireneko aho: ho mpitarika mendrika, ho mpanompon’ny vahoaka, ary ho olona manolo-tena amin’ny fampandrosoana ny firenena.
Ny nofy lehibe dia tsy avy amin’ny fahefana na harena, fa avy amin’ny fo tia tanindrazana sy faniriana hanova zavatra ho tsara kokoa.
Angamba androany dia nofy fotsiny… fa rahampitso mety ho lasa tantara marina.
08/03/2026
💟08MARS 🌸
07/03/2026
♉ Caractère de l’homme Taureau
Calme et patient : il n’aime pas la précipitation.
Travailleur : il aime la stabilité financière et travailler dur.
Loyal et fidèle : quand il aime quelqu’un, il est sérieux.
Protecteur : il aime protéger sa famille et sa partenaire.
Aime le confort : bonne nourriture, maison confortable, vie tranquille.
❤️ En amour
Romantique mais discret : il montre son amour par des actes plus que par des paroles.
Très fidèle : il cherche une relation stable et durable.
Possessif parfois : il peut être jaloux s’il aime beaucoup.
Sensuel : il aime la tendresse et les moments intimes.
⚠️ Ses faiblesses
Têtu : difficile de le faire changer d’avis.
Un peu lent pour décider.
Peut être très jaloux.
💞 Compatibilité amoureuse
Les signes souvent compatibles avec l’homme Taureau :
♑ Capricorne
♍ Vierge
♋ Cancer
♓ Poissons
Click here to claim your Sponsored Listing.
Category
Website
Address
Antananarivo