Help for Development Association

Help for Development Association

Share

Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Help for Development Association, Nonprofit Organization, Antananarivo.

01/03/2025

💦🚨 MARO NY TANANA DOBORANO 🌊🏘️
👉 DIA MIANDRY FANJAKANA 🇲🇬 NA POMPIER 🚒 HISITONA ILAY RANO...
❓ FA MANINONA RAHA SAMY MITATITRA 🪣👐 AMIN'NY SIHOA 💪 ALOHA ?

💭 Fiaraha-mientana no vahaolana! 🔥❤️

26/02/2025

🌱🚜 Fampandrosoana ny fambolena eto Madagasikara 🌾🌍

Raha mbola amin'ny tanana na amin'ny fomba fambolena nentim-paharazana no iankinan’ny mpamboly eto Madagasikara, dia tsy ho tratra velively ny fahaleovantena ara-tsakafo. 💭🍽️

Izaho tenako dia efa nahita izany tamin’ny traikefa manokana. Na dia mazoto mamboly aza aho, dia tsy afaka hamboly hamatsy olona maro fa ho an’ny fivelomako fotsiny ihany. 🧑‍🌾💰 Amin'ny maha-mpamboly ahy, dia tsapako fa sarotra ny mampifandanja ny vokatra sy ny filàna arampiarahamonina misy ankehitriny: misy minisitera maro na vahoaka tsy mamboly nefa mandray ravin-taratasy (vola) isam-bolana 💵📄, kanefa izahay mpamboly dia hamatsy vary sy laoka azy ireo nefa angady sy omby no fitaovana misy. 🐂⛏️ ⚠️Etsy ankilany mihena ny tany ambolena💦 fa totofana na anorenanatrano🏘 nefa NY filàna mihamitombo🌾🌱

Ny tena zava-doza, maro amin’ny tantsaha no tsy manana omby akory na dia tany hambolena aza! 😔🏞️ Noho izany, tokony homena fitaovana maoderina 🚜🔧 sy tany hambolena 🚜🏡 ny tantsaha eto Madagasikara, mba hahafahantsika mamokatra ampy sy manatratra fahaleovantena ara-tsakafo! 💪🌾🇲🇬

Want your organization to be the top-listed Non Profit Organization in Antananarivo?
Click here to claim your Sponsored Listing.

Telephone

Website

Address


Antananarivo