Splendide RADIO FM 90.2

Splendide RADIO FM 90.2

Share

LA RADIO QUI FAIT LA DIFFÉRENCE

08/03/2024

Salama tompoko !!!
Araka ny voalaza moa dia hifarana ny sabotsy 09 martsa ny fisoratana anarana tamin'ilay fifaninana "La Star du Lac" ary hiditra amin'ny dingana manaraka indray isika aorinan'zay, etoana anefa dia miala tsiny indrindra fa voatery hiova ny fandaharam-potoana rehetra nohon'ny fahasimbana teknika mahazo ny fitaovana ato amin'ny ojam-peo vokatry ny herin'aratra.
Efa eo ampikarakarana tanteraka moa izahay ankehitriny ary everina fa tsy ho ela ny fiverenan'izany amin'ny laoniny koa manasa anao hanaraka hatrany ny pejy fa holaizana eto hatrany ny vaovao rehetra.
Mamerina ny fialan-tsiny hatrany tompoko!!!🙏🙏🙏🙏

Fanamarihana: ITY IRERY IHANY NO PEJIN'NY Splendide RADIO FM 90.2 TOMPOKO FA TSY ANKOATR'ITY
MISAOTRA TOMPOKO!!!

01/03/2024

🎤🎙️FIFANINANA MIHIRA

Hitrandrahana ny talenta izay any amintsika tanora Lahy sy Vavy eto amin'ny faritra
Koa aza misalasala ary misoratra anarana fa fotoana hafahanao mampiseho izany ity ary indrindra hahazoanao ny fizarana traik'efa izay homen'ny mpanakanto mpiahy ity fifaninana ity.
Ireo avy ny toerana isoratana anarana ary koa aza tara e!!!👇👇

*arahao hatrany ny pejy

27/01/2024

Ho vahiny ao amin'ny fandaharana "Manokana" eto @ splendide Radio FM90.2, ny alahady faha 28 janoary 2024 izao manomboka @ 6ora30 hariva Ramatoa Fetra Ando Rasamimanana Mpandrindram-paritry ny antoko Freedom Alaotra Mangoro
Hiresaka momba ny Antoko sy ny antompisiany ary ny fampandrosoana ety ifotony izy @ izany koa manasa antsika rehetra hanaraka izany

27/09/2023

✅ misy fandaharana manokana eto @ FM90.2 isaky ny @ 3ora sy 15' folak'andro, hisy ny lalao amin'izany izay mety hahazoanao tapakila fidirana maimaim-poana

🛑Misy famerenana @ 9ora sy 15 alina

18/09/2023

Eny ary tompoko, hanomboka @ izay ny fandaharana "LA MATINALE"
✅Isa-maraina @ fito ora eto @ Splendide RADIO FM 90.2
👉Aza misaraka @ onjam-peo ary eeeh!!!
♥️🎧 Mihainoa finaritra oooh!!!

28/08/2023

▶️ hanomboka @ volana septambra io ny fandaharana rehetra eto @ onjam-peo koa aza miala lavitra intsony ary oh!!!

📻 mahazo ny vesatrin'ny kalitaom-peo "wave" tanteraka ny feo eto @ radio ankehitriny koa manasa anao handalo kely eo @ maridrefin-tsika "90.2Mhz" ary raha mba haka tsirony @ izany eeeh!!♥️

🎧Tsara kokoa ny mihaino @ casque raha afaka manao an'izany isika fa raha matos somary manana kalitao tsara koa dia ampiakaro ny volume fa hahazo tsirony tokoa ianao eeeh!!!🙏🙏

17/07/2023

FM90.2Mhz

19/05/2023

Ireto ary ny daty eto Ambatondrazaka eeeh!!!

Hetsika ho goavana tanteraka tokoa!!!

Photos from Splendide RADIO FM 90.2's post 16/05/2023

Taorinan'ilay hetsika "Arabe" izay notanterahana tao Antananarivo iny dia fahombiazana avokoa ny fampisehoana rehetra nataon'ny Tarika tamin'ireo tanana izay nolalovany satria dia tonga maro be hatrany ireo mpankafy tamin'ireo seho izay natao.

✅️Araky ny vaovao fantatra moa dia ho avy tsy ho ela eto Ambatondrazaka ny Tarika Ambondrona........🤘

Holazaina sy hozaraina eto hatrany moa ny vaovao mahakasika izany.

13/05/2023

Miarahaba tompoko !!!
Tena maro be isika no nandefa dossiers taty @ onjam-peo tamin'ilay tolotr'asa teo iny ary isaorana be dia be isika noho izany.

Arak'izany dia be dia be isika ny mandefa fanontanina ato amin'ny pejy mahakasika izay tohiny, koa arak'izany ary, raha ny fandaharam-potoana dia @ herinandro manaraka io no hiantso ireo rehetra izay voafantina izahay koa manantena ny faharetanareo hatrany.

Misaotra indrindra tompoko !!!🙏🙏🙏

08/05/2023

Aza tara fa efa amin'ny alarobia izao no farafametrahana ny antontan-taratasy a!
N.B: afaka miditra mp eto amin'ny pejy ihany koa raha misy fanazavana ilaina.

Want your business to be the top-listed Media Company in Ambatondrazaka?
Click here to claim your Sponsored Listing.

Category

Telephone

Website

Address


Ambatondrazaka
Ambatondrazaka
503