Thina A.

Thina A.

Partager

Izaho koa manoratra, mandrindra tononkalo,
Asa ianao raha efa naheno ny singam-betsoko nandalo

Thina - 1997

13/03/2026

Tratreva 2026

10/12/2025

ANJORONJOROM-BALA

Indray andro izay....
Nisafidy andro aho,
nanavaka fotoana,
namaritra ny ora
ho sarobidy loatra
sy tsiaro rahatrizay.
Kanefa nisy sahy
nijoro hoe haningana
sy niezaka nanivaka
ninia nametraka ahy
anjoronjorom-bala,
tsy hisalo-boninahitra
hihazo toerana avo
sy ho talaky maso
ho tazan'ny rehetra.
Fa tamy koa ny iray
Nirehoka ho mahay
no sady nanamafy
fa tsy eo no mendrika ahy,
naleo nafindra toerana
somary takontakona
sy naka sisintsisiny.
Tsaroako ireny mantsy
Sarotra hohadinoina
Nahoana loatra, lahy ?
Kanefa tamin'iny...
Izaho no antom-pety
k'izay rehetra tokony
ho tsara sady mety
dia izaho no tompony.
Soratako ity
ho diary firaketana
sy boky hovinakin'ireo
maso te handalo
ka hitantaràna izany
Indray andro any.
Thina A. 22.03.2022- 22.22

31/01/2025
Vous voulez que votre personnage public soit Personnage Public la plus cotée à Oran ?
Cliquez ici pour réclamer votre Listage Commercial.

Type

Site Web

Adresse


Oran
Oran
31000