Wany
Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Wany, Art, Antananarivo.
17/11/2024
(...)
Raha toa sitrakao
Dia hafeno tsy ho fantany ny ranomaso arotsako
ny taoka efa laniko,
sy ny sigara efa nofoako nandritra izay fotoana nisarahanay izay.
Aza ataonao tsapany hoe,
mbola miredareda sy mirehitra mahamay ilay fitiavana ao anatiko.
Satria atramin'izao,
dia mbola tsy mety ho tantiko ny maka sary an-tsaina hoe rava ny aminay.
Misy fotoana aza indraindray ,
Ny endriny no mibahana mameno ny eritreritro.
Mitsikitsiky kely dia manoroka ny molotro segaondra vitsivitsy.
Dia avy eo izy mitampify sy miankina eto an-tratrako.
Dia adinoko ny ratrako eo am-panembonana azy.
Dia ny sigara GOLOAZY no entiny manohy ny revirevy tsy ho tapaka
Dia misy ranomaso latsaka atosik'ireo tsiaro.
Ary misy tononkalo ventesiko mangina maniry azy iny hiverina.
Arahiko hirahira hoe ...
"Ka miangavy aho , raha toa sitrakao ... "
Izany hira izany
Tsy mande oazy eo fotsiny , fa arahako feo lafika amin'ny sento sy tomany .
WANI
15/11/2024
(...)
Manoroka anao aho aloha vao miarina maraina .
Dia avy eo miomakomana ny andeha itady vola .
omenao teny mamy aho mba hazoto tsy alaina .
Satria ny fiainana amin'izao efa tsy vita mora mora.
Fa tsy maintsy mila miady
Tsy maintsy hoe mitady satria te ho tafita.
Miezaka eny foana aho mba anatanterahana ireo vinavinan_tsika.
Hiaretako eny foana ,
fa tsy mba hitandroako izay mety ho asasarako.
Misy mihitsy aza fotoana ,
Izaho efa marary fa mbola hitsanganako.
Satria tsy tiako hiafy , ianreo vady aman_janako
WANY
11/11/2024
Mahaiza
Mahaiza ianao aloha mionona amin'ny zavatra eo an-tanana.
Mantsy eto tsisy lafatra,
Fa ny fahaizana manangona no tohatra fiankarana hialana anaty lavaka.
Ny tanjonao banjino dia ny lalanao no zory.
Ilazao ireo mpanakora oe tsy miady irery izany a !
F'ilay zokiko ao ambony no mitantana ahy tsy ho very.
Manoro lalana Izy,
Ka tsy hamely ahy hiady irery amin'ny olana samy hafa.
Dia ity no tadidio ,
ny fiainana tsy tsara raha tsy misy mpankahala .
f'ilaiko ianao tsy miala fa mijoro atrany atrany.
matoa izay ianao enjihina
Tsaroy mandrakariva hoe tsy olona ambany.
Dia ny herin-tsaina no tazomy
Ny fahakiviana havalomy dia hario anaty lavaka.
Totofy tsara tsy hitamberina fa sao animba zavatra.
Dia mila ianao mitandrina ,
Fa ny hazo rehefa ambony dia tsy maintsy oe alan-drivotra.
Kanefa aza mangovitra ,
fa sao hanampy tosika ny ratsy hanjakazaka.
Fa ny tena tsara
dia mitraka rehefa miatrik'ady.
Dia ny saina no ampiadina raha te ho lasa lavitra , f'aza mampiasa sandry.
WANI
10/11/2024
NY ASA SORATRAO
Henoko mitsaika ao anatiko ao mangina.
Ny fitia izay nozarainao tao anaty tononkalo.
Lasa mandrimandry saina aho dia tsy manam-panahiana.
Adinoko avokoa hatramin'ny olana nandalo.
Satria ny asa soratrao,
No zary tapa_damba namafako ranomaso .
Sy nataoko ody sento raha sendra ny ankaso sy ny sompatry ny tany.
Nataoko fanafody raha sendra aho ka marary.
Ireny no vakiako rehefa tsy mahita tory.
Averiko eny foana mba hitondra nofy mamy.
Ny adin_tsaiko rehetra avy hatrany dia mitony.
Vao mamaky pejy telo aho dia rendrika avy hatrany.
Dia iny aho fa mahita antsika miara misafo.
Sy mitambatra fandriana ao anaty nofiko ao.
Mahazo rotsirotsy aho dia mahazo safosafo.
No sady mankamamy ny eo anilanao.
Nofinofy ireny ,
Fa tiako tena tiako raha mba hiainana mivantana.
Izaho moa tia fa tsy miteny ,
Moa ny ao am-ponao ao tena mbola ankamantatra.
WANI
09/11/2024
....
Na toy ny ahoana faniriana
Na toy ny ahoana fikasana
Dia tsy ho tanteraka naoviana
Rehefa hoe tsy anjara
Na ho atao fanahy hiniana ,
na aza efa teny ierana.
Dia minoa ahy ianao,
fa tsy ho tanteraka naoviana rehefa oe tsy anjara.
WANI
08/11/2024
AMPATSIAHIVO
Ampatsiahivo azy ,
ireo tantara mamy efa niainanay taloha .
Sy izahay ilay niara-niady ,
Dia niara-nifanampy tamin'ny ratsy sy ny soa .
Dia ampatsiahivo koa ,
Izahy ilay niara-niary sy niaraka nanangona .
Ary nanam-binavina sy nametraka ny tanjona hoe hiaraka ho doria.
Dia nanam-panirina ny hanorin-tokatrano .
avy eo hifindra monina ery Antanandrano fa eny mba milamina .
Dia eny no hijanona sy hanorina fonenana .
Izy ho fanaperana sy ho vady andefimandriko .
Ary efa tena tsy andriko ilay daty volamena tamin'izany andro izany .
Mantsy aho mba te ahita ilay tiako sy lalaiko misarona voaly .
Dia mety hoe tsy nijaly satria fo roa samy tia .
Kanefa na izany ,
tafasaraka satria (...)
Nefa aleho aloha tsy ho lazaiko,
Aleho tsy ho tantaraiko fa fiainanay manokana .
Fa teneno fotsy izy ,
miandry foana anao hoe ilay fony tsy mahatokana.
WANI
01/06/2024
AMPIANARO
Ampianaro aho hanadino,
Raha tena tia ianao.
Horoy kely dia fihino
raha azonao atao.
Dia aza atao mahatsiaro ireo lasa izay nandratra.
Fa kosa hampahafantaro ,
Raha efa an'olon-kafa ny fitia anatinao.
Nefa aleho ihany amin'izao,
Raha toy ianao tsy ho vonona ny hikosoka ny lasako.
Sao ny fiarahan-tsika indray hanokatra ny ratrako efa sitrany fotoana.
Kanefa ampianaro foana ,
Mba hahay hionona amin'ny finamanan-tsika.
Dia aleho aho aloha hisaona,
Eo am-pandevenana ireo lalana efa vita.
WANI
29/05/2024
TSY SAHY
Ilay fitiavana ao anatiko indrindray toa mystery.
Ary ny tena mahagaga a !
Rehefa eo anilanao aho dia lasa tsy mahateny .
Lasa tsy mahajery ilay masonao mibanjina ny ao anaty masako .
Fa ny zavatra tsikaritro .
Matetika aho no miondrika miresaka aminao .
Te hamboraka fitiavana fa tsy hitako ny hatao .
Dia rehefa iny isika ka sendra iray lalana ,
Dia izaho ilay mody mialangalana mandakadaka vato .
Ianao anefa reko miresaka tsy ankiato fa tsy hitako ny havaly .
Dia izaho na manan_dresaka aza dia tsy sahy mba manontany .
Fa mikobona fitiavana ao anatiko ao mangina .
Tsy hoe manao fanahy iniana.
Fa ohatra izany mihitsy rehefa tojo olon_tiana .
WANI
25/05/2024
FAY...
Niova ity ny pejy
Takelaka vaovao dia lohateny hafa.
Ianao nanoratra tantara teny an_tratran'olon_kafa.
Raha ny marimarina dia hoe lasa nisitaka.
Teto anefa ianao efa najaina sady tiana dia avy eo mbola nanitsaka.
Tsy nanisy dikany ireo dinantsika roa.
Mora nanadio ireo tantara mamy efa niainana taloha.
Izaho anefa aty mbola te ho saropiaro.
Latsaka tomany raha sendra mba mahatsiaro ireo niainana taloha.
Rehefa ilay mahita anareo tafiaradia dia mila ho vaky fo.
Mantsy aho hatramin'izao dia mbola tena tia .
Kanefa na izany ,
ny miverin_dalana no ataoko sanatria.
Aleo aho haka saina fa tena efa fay.
Ampy ho atao lesona amin'ny tohiny tantarako izay dimy taona izay.
WANI
12/05/2024
Nitsiky kely ianao
Avy eo nanofahofa-tanana tovolahy iray nivoaka avy ao anaty fiara.
Mazava ny tantara fa izy ilay nandrasanao minitra vitsivitsy.
Izy koa avy eo nitsiky raha nahatazana avy lavitra.
Dia iny izy nanantona narahana hazakazaka.
Io ianareo mifampibanjina,
avy eo nifandray tanana.
Dia somary niainga kely ny tongotrao havanana rehefa iny ianao nanoroka ny molony.
Nalanao moramora ny kitapo teo an-tsorony dia novimbininao.
Dia lasa ianareo roa namonjy ny fodiana.
Izaho avy atoa aoriana fa tsy tsinjonao akory.
Ny saiko tsy nitony, fa te halala tsara izay zavatra miseo.
Na efa fantatro aza fa mifankatia ianareo.
"Tongasoa malala a !"
Hoy ianao tanaty tsiky dia noraisinao ny tanany.
Teo no itako farany dia nihidy ny vavahady.
Dia iny aho naminany izay rehetra mety hiseo rehefa ao anatiny ao.
Hoe mety anala akanjo ianao hilaza fa mafana.
Dia izy mody miala mamonjy ny fandriana.
Ianao hanaraka azy moramora avy aoriana dia hipetraka eo anilany.
Hanotra ny lamosiny harahin'aniany.
Andriamanitra o !
Aza hitako any izany.
WANI
04/12/2022
AZA...
Rehefa hoe mitia dia (...)
Aza mba mizatra ny fitia misampan_droa .
Mizara mihitsy aloha ianao manaja ny eo an_tanana .
Fa aza salovanana ny anjara ho any hafa .
Mantsy mety an_dratra ny fo mitia izany .
Fa ny tena tsara a!
tokana eny ihany aloha ny olona iarahana .
Dia tano mafy aloha izay azo ,
Fa aza isarahana .
Satria na ho aiza ianao na ho aiza ,
Ny tsara tsy mba lany.
Fa mba jereo ihany aloha izay mety ho tsara taiza sy mendrika ho vadiana .
Mba tsy hanenenanao , rehefa any aoriana .
WANY
13/11/2022
MIANARA
Mianara miasa am_pahanginana amin'izay rehetra atao .
Mantsy , ny olona rehetra
tsy voatery ho faly mahita anao tafita .
Na mahita anao mavita dingana iray .
Misy ary indraindray ,
Ny havanao akaiky no manao izay an_dringanana ,
Na manao izay aminganana ny fiainanao mandroso .
Tsy tiany ianao hivoatra fa sahirana eny foana ,
Ny manara_maso anao no andaniany fotoana sy ampiasainy saina .
Vao mahita anao mianjaika dia miferoferonaina tsy ainao hoe maninona .
Avy eo izy maneso sy manondronondro molotra.
Fa ny tena tsara a!
Mody ianao tsy rotitra ,
Ary aza mierikerika fa ny lalanao no zory.
Fa rehefa vizaka izy , dia tsy miteny intsony .
WANY
Click here to claim your Sponsored Listing.