TSILA
Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from TSILA, Writer, Mandrosohasina, .
[email protected]
0388523613
Ireo vokatra Azo jifaina
Boky : TARATASY AVY ANY AN-DANITRA - 20000 AR
Boky : HOTANTARAIKO ANAO - 15000 Ariary
Clè USB 4 Giga feno antsa tononkalo - 25000 ariary
♥️Misokatra aminy fiaraha-miasa rehetra
27/05/2026
....TAKOPERY
Impiry hahita anao efa mitantana olon-kafa aho vao tena ho resy lahatra f'ianao efa tsy anjarako
Impiry hahita anao efa mitrotro zaza kely vao tena hahay hanaiky hoe ny lalanao tsy lalako
Tsy resaka fitiavana hanimba anao akory
Raha manotany tena ilay fo tsy mety mino
Fa hampianaro fotsiny aho tsy ho tia anao intsony
Hampianaro fotsiny aho hahaizako hanadino
Fa nampianarinao aho ho tia tsy misy fetra
Dia haiko ny nitia saingy tsy haiko ny nandao
Nampianarinao , hahay hanaja sy hitoetra
Dia rehefa nahay nitoetra aho dia lasa indray ianao
Mangataka impiry amin'ny tompo sy andriamanitro aho
Vao omeny heritsaina handresena fahatsiarovana
Manao karemy impiry sy mandoro zava-manitra
vao afaka mandresy ireny tsiaro anao mitovana
Fa izaho aty torovana sy feno takopery
Ny sarintsika foana no satriko ho jerena
Ianao nefa efa sambatra mitrotro zazakely
Rahoviana ré ny foko vao hahay hampionon-tena ?
TSILA
27/05/2026
Pejy 46 - 47 ao aminy Boky HOTANTARAIKO ANAO 🙏
TSILA
27/05/2026
Zaraiko Kely ity
Tononkalo : AZA OMENA TSINY
Niantsa : Mamitiana
Nanoratra : TSILA
Misy foana ny clè USB misy antsa tononkalo ho antsika izay mbola tsy nahazo , ary ny boky TARATASY AVY ANY AN-DANITRA ihany koa
HAIKA 8 giga : 30000 ariary
HIAKA 4 Giga : 25000 ariary
Boky : 20000 ariary
Saram-pananterana: 3000 ariary
0388523613 na midira hafatra miafina avy hatrany 🙏
Na hivily miankavanana, na hiodina ankavia.
Efa fantatro aho fa hanambady mpankafy.
Zara Ainga
apiantsika live Kely aminy 8 ora , alefaso ao aminy commentaire ny tononkalo tianao ho antsaiko
24/05/2026
Teraka Jesosy dia misotro toaka ihany
Maty indray Jesosy dia misotro toaka hatrany
Nitsangana Jesosy d'efa toaka ihany izany
Misotro toaka foana , hatrany an-danitra any
Andry KAYDA TSILA
23/05/2026
Amin'izao fotoana
- Izay mananatra dia tratran'ilay hoe "Ny fiainanao atao tsara fa aza miditra aminy an'olona "
-Izay manitsy dia voapepo hoe " Manaova Raha mahavita fa aza miseho milay "
-Tsy lairin'anatra intsony ny tanora ka na hanao silipo eny an-dalana aza dia zary efa raisin'ny fiarahamonina hoe efa safidiny iny ka hajao
-Raha olon-dehibe mahantra Sy maloto akanjo no mananatra dia tebahana hoe : " ny fiainanao atao tsara dia ny akanjonao sasaina fa aza ny an'olona no idikidirana"
-Raha olon-dehibe madio Sy mitafy tsara no miteny dia lazaina hoe " Mba sendra niangaran'ny vintana dia miseho manindry "
23/05/2026
TSILA no anarako fa atsoy fotsiny hoe TSÍTSÍ 🙃
23/05/2026
Hoy ny Ntaolo razantsika:
"Hanaro ihany ny velona na hino izy na tsy hino ,
fonosy lamba ihany ny maty na hitahy izy na tsy hitahy,
fa tsy fantatra izay hanan-tsiny na ny velona tsy nomem-boninahitra na ny maty tsy nofonosin-damba"
22/05/2026
.....HITOMANY INDRAY IANAO
Hitomany indray ianao izao fa milaza mahatsiaro azy
Hitomany indray ianao dia hisisika hiangavy
Diso tia ka tsy mahatsapa hoe efa tsy norarahiany
Handefa hafatra dia hiantso , na impiry tsy valiany
Hitomany indray ianao izao dia hiteny hoe miverena
Hitomany dia milaza mihitsy hoe hamono tena
Rahoviana ianao vao tonga saina , hahatsapa tsotra izao
Hoe tsy hahasakana azy hisitaka ny ranomasonao
TSILA