DRJS Atsimo Andrefana
Jeunesse et Sports
26/05/2026
Nanomboka androany maraina ka hifarana ny alatsinainy ho avy izao ny adina ara panatanjahatena eo amin'ny kilasy famaranana (EPS BACC) ho an'ny eto amin'ny fari-panadinana Toliara I .
6541 no isan'ny mpiadina ara panatanjahatena eto Toliara I raha mitsinjara 6400 no afaka manao izany (Apte) ary 141 kosa no manao izany an-tsoratra (inapte).
Anisany tompon'andraikitra nanatrika izany fanombohana izany tao amin'ny Kianja Maitre Kira Andaboly ny Talem-paritry ny Tanora sy ny Fanatanjahatena Atsimo Andrefana Andriamatoa RAMBELOSON Basile Casimir.
Ministère de la Jeunesse et des Sports
Commune Urbaine de Toliara
Fédération des Associations des Etudiants l'Université de Toliara
COM DRJS ATSIMO ANDREFANA
26/05/2026
🔊 Fikaonandoham-Pirenen’ny Tanora eto amin’ny Faritra Atsimo Andrefana.
Ry tanora malagasy ato Atsimo Andrefana,
Mba hanatsarana ny fandraisana anjara sy ahafahan’ny tanora rehetra eto amin’ny faritra mandray anjara amin’ny fakankevitra isakin'ny district sy KAOMININA ato amin'ny Faritra Atsimo Andrefana , ny Comité Régional d’Organisation dia nanomana ny Fakankevitra an-tserasera (Consultation en ligne).
🎯Ity fakankevitra an-tserasera ity dia natao mba :
🔴Hanome fahafahana ho an’ny tanora rehetra manerana ny district 09 ato amin'ny Faritra sy KAOMININA rehetra izay misy connexion internet 🛜 (na amin'ny ville na any ambanivohitra) na manerana ny Madagascar, Izay tsy afaka nanatsika mivantana na tsy nahatratra ny Fakankevitra izay efa natao.
🔴Hanamafisana ny inclusion numérique amin’ny Fikaonandoham-Pirenen’ny Tanora ;
Ahafahan’ny feon’ny tanora rehetra miara-manangana ny soso-kevitra ho an’ny fanavaozana ny faritra sy ny firenena.
🔊Ny feonao no zava-dehibe !
Na efa nandray anjara tamin’ny fikaonandoha mivantana ianao na tsia, dia mbola afaka mandray anjara izao amin’ny alalan’ity formulaire en ligne ity.
➡️ https://forms.gle/2n1j6MpEdXVEK3qVA
📢Miaraka isika amin’ny fanorenana ny hoavy tsaratsara kokoa ho an’ny tanora sy ny faritra Atsimo Andrefanas fa indrindra ho an'i Firenena 🇲🇬
Ho an’ny Fanavaozana ! 🇲🇬
Ministère de la Jeunesse et des Sports
Commune Urbaine de Toliara
Conseil Communal de la Jeunesse Toliara
Jeune Animateur Toliara I
Fédération des Associations des Etudiants l'Université de Toliara
19/05/2026
Tonga nitsidika teto aminy biraon'ny Fitaleavam-paritry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena Atsimo Andrefana eto Ankilifaly ny ekipa ny FID Toliara androany folakandro.
Fitsidihana ara-pomba fanajana nentina nampahafantarina ny fisiany Tetikasa EAGER , izay natao hanomezana lanja ny zatovovavy .
Raha te hahafantatra ny momba io Tetikasa io, dia manasa antsika Tanora rahampitso folakandro amin'ny 3 ora ato amin'ny Maison des Jeunes Ankilifaly fa hisy ny fampahafantarana sy fanazavana ary fisoratana anarana.
19/05/2026
📢 𝗥𝘆 𝘁𝗮𝗻𝗼𝗿𝗮, 𝗵𝗶𝗮𝗿𝗮-𝗵𝗶𝗲𝗻𝘁𝗮𝗻𝗮 𝗶𝘀𝗶𝗸𝗮 𝗵𝗼 𝗳𝗮𝗻𝗮𝘃𝗮𝗼𝘇𝗮𝗻𝗮 𝗮𝗻'𝗶 𝗠𝗮𝗱𝗮𝗴𝗮𝘀𝗶𝗸𝗮𝗿𝗮🇲🇬
🔔Ndao handray anjara mavitrika amin'ny Fikaonan-doham-pirenena ataon'ny Tanora ✨
18/05/2026
𝐅𝐈𝐊𝐀𝐎𝐍𝐀𝐍𝐃𝐎𝐇𝐀 𝐊𝐀𝐎𝐌𝐈𝐍𝐀𝐋𝐘 𝐇𝐎 𝐀𝐍'𝐍𝐘 𝐓𝐀𝐍𝐎𝐑𝐀 - 𝐃𝐈𝐒𝐓𝐑𝐈𝐊𝐀 TOLIARA I
Tontosa omaly tolakandro tao amin'ny Maison des Jeunes Ankilifaly ny andro faharoa ny Fikaonandoha Kaominaly ho an'ny Tanora tato amin'ny Distrika Toliara I.
Nandray anjara mavitrika ireo tanora amin'ny fanehoana hevitra ho famaritana sahady ny hoaviny.
Mbola hitohy amin'ity farany herinandro ity ny andro fahatelo sady famaranana ny anjaran'ny Kaominina Toliara I izay hanasàna hatrany ireo Tanora rehetra tsy an-kanavaka fa indrindra ho an'ireo izay tsy afaka nanatrika ireo teo aloha.
Ministère de la Jeunesse et des Sports
Conseil Communal de la Jeunesse Toliara
Commune Urbaine de Toliara
Jeune Animateur Toliara I
COM DRJS ATSIMO ANDREFANA
16/05/2026
𝐅𝐈𝐊𝐀𝐎𝐍𝐀𝐍𝐃𝐎𝐇𝐀 𝐊𝐀𝐎𝐌𝐈𝐍𝐀𝐋𝐘 𝐇𝐎 𝐀𝐍'𝐍𝐘 𝐓𝐀𝐍𝐎𝐑𝐀 - 𝐃𝐈𝐒𝐓𝐑𝐈𝐊𝐀 TOLIARA I
Tontosa tao amin'ny trano fivoriana teny amin'ny lapan'ny Faritra Atsimo Andrefana ny maraina teo ny Fikaonandoha Kaominaly ho an'ny Tanora tato amin'ny Distrika Toliara I.
Marobe ireo tanora izay naneho hevitra ho famaritana sahady ny hoaviny.
Mbola mitohy rahampitso amin'ny 2 ora sy sasany tolakandro ao amin'ny Maison des Jeunes Ankilifaly ho an'ireo izay tsy afaka nanatrika ny androany.
MIAVIA MARO !
Ministère de la Jeunesse et des Sports
Conseil Communal de la Jeunesse Toliara
Commune Urbaine de Toliara
Jeune Animateur Toliara I
COM DRJS ATSIMO ANDREFANA
16/05/2026
Sary famintinana ny fanaovam-beloma farany an' i Ratompokolahy RABEHAJA Jean Ben'ny tanànan'i Toliara voalohany alohan'ny fandevenana azy any HAVIRO.
Nisy ny fanomezana marim-pankasitrahana ho azy avy amin'ny vahoaka Malagasy tamin'ny zava bitany teo amin'ny tontolon'ny Fanatanjahatena sy fisaorana azy tamin'ny fanampian'ny mpikatroka Fanatanjahatena rehetra eto Toliara.
Ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahatena Andriamatoa Alain Désiré Rasambany no nanolotra izay nanoloana ny Kianja Mitafo Tsienengea Toliara.
MANDRIA AM-PIADANANA MR LE MAIRE
Ministère de la Jeunesse et des Sports
Commune Urbaine de Toliara
COM DRJS ATSIMO ANDREFANA
Ministère de la Jeunesse et des Sports
Ministère de la Jeunesse et des Sports
Conseil Communal de la Jeunesse Toliara
Commune Urbaine de Toliara
14/05/2026
😭Tonga nankahery sy naneho fiaraha-miory tamin’ny fianakavian’ny Itompokolahy Rabehaja Jean Ben’ny Tanànan'i Toliara I tao Mangabe io hariva io ny minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahatena Andriamatoa RASAMBANY Alain Désiré.
⚫ Amin'ny fomba maha Malagasy baka Antimo dia nitondra Enga Aomby mazava loha ho mariky ny fihavanana sy fifankatiavana nisy tamin'izy mirahalahy.
Click here to claim your Sponsored Listing.
Category
Contact the business
Telephone
Website
Address
Tulear
601