Jaison Legrand Off
๐๐๐ง๐๐ข ๐ฆ๐จ๐๐ฉ๐ฅ๐ ๐ฉ๐ข๐๐ง๐ข๐ก๐๐ฅ๐ข ๐๐ข ๐๐๐ฅบโฅ๏ธ
๐โฌ๏ธ๐
06/18/2026
๐ขIHOSY : RAZANA EFA NALEVINA TSY TAO AMIN'NY FASANA INTSONY NOTAPAHAN-DOHA๐ข
๐ค Miahiahy ny renikeliny ny zanaky ny maty, araka ny fitantaran'ny zanany dia maty ny Alakamisy tao Ranohira IHOSY ilay Raim-pianakaviana metisy vazaha.
Ny Sabotsy no tonga tany Ranohira ny fianakaviana, nalevina ny Alahady ny razana, nifanarahana fa atao "Bรฉton" ny fasana ary nisy vola natokana amin'izany, saingy tsy izany no nitranga fa natao simenitra fotsiny dia nototorana tany.
Mampiahiahy ny zanany dia eo akaikin'ny fonenan'ny vady faharoa ilay fasana, nefa tsy hitan'izy ireo ny Alatsinainy sy Talata, tsy nisy nijery ny fasana ary tsy notohizana ny fanaovana "bรฉton"
Ny Alarobia no nahazo antso ny fianakaviany fa tsy tao anaty fasana intsony ny razana ary notapahana ny lohany ary tsy hita.
๐คMiahiahy fa tsy asan-jiolahy ivelan'ny fianakaviana io fa mety ao anaty fianakaviana. Ilay raim-pianakaviana maty metisy vazaha, efa nanambady niteraka no nanambady ilay vehivavy any Ranohira indray.
ยฉ๏ธ: Antsiva Radio 97.6 FM ๐ป
06/18/2026
๐ข ๐ง๐ผ๐๐ผ๐๐ฎ๐๐ 17 ๐๐ฎ๐ผ๐ป๐ฎ ๐ป๐ฎ๐บ๐ผ๐ป๐ผ ๐ป๐ฎ๐ต๐ฎ๐ณ๐ฎ๐๐ ๐ป๐ ๐๐ฎ๐ป๐ฎ๐ป๐ ๐๐ฎ๐ผ 2 ๐๐ผ๐น๐ฎ๐ป๐ฎ ๐บ๐ผ๐ป๐ท๐ฎ๐ข
Raha ny voalazan'ity tovovavy 17 taona ity dia voafitaka sy voaolan'ilay lehilahy nolazainy fa rain_janany izy ka izay hono no antony namonoany ilay zaza.
Izy izay nilaza hatrany fa mbola te hanohy fianarana, tsy hita no sady tsy nanampy azy mihitsy ilay rain-janany ka nahatonga azy nahavanon_doza tamin'io zaza tsy manan-tsiny io.
Raha ny zava-nisy dia tamin'ny hazo ary rehefa tsy matiny dia tao anaty rano io zazakely vao 2 volana monja io.
Tsy tana ny ain'ilay zaza na dia nentin'ny fianakaviany tany amin'ny hopitaly aza. Ity farany kosa efa voasambotra ary efa hanaovana fanadihadiana.
06/18/2026
๐ข๐ฉ๐ฒ๐ต๐ถ๐๐ฎ๐๐ ๐๐๐ ๐๐ฎ๐น๐ฎ๐บ๐ฎ ๐๐ฎ๐ถ๐ป๐ฎ ๐ป๐ถ๐๐ ๐ป๐ฎ๐ป๐ฑ๐ฟ๐ผ๐๐ถ๐๐ฟ๐ฎ ๐ป๐ ๐ณ๐ถ๐๐ฎ๐๐ถ๐ฎ๐ป๐ ๐๐ฎ๐ผ ๐ง๐ผ๐ฎ๐บ๐ฎ๐๐ถ๐ป๐ฎ๐ข
Vehivavy iray tsy dia salama saina no nisy nandrovitra fivaviana, nandriaka ny rร tao Toamasina
Efa nasian'ny fokonolona lamba izy. Olona tsara sitrapo no nanafatra Tuc Tuc hitondra azy any amin'ny Hรดpitaly Be izao maraina izao, raha ny loharanom-baovao.
ยฉ๏ธM. Kamy
06/18/2026
๐ข๐ ๐ถ๐ฎ๐ป๐๐๐ผ ๐ฉ๐ผ๐ป๐ท๐ ๐ป๐ ๐ฑ๐ฒ๐ฝ๐ถ๐ผ๐๐ฒ ๐ง๐ฒ๐ฎ ๐๐ผ๐ด๐ผ, ๐บ๐ฎ๐ป๐ผ๐น๐ผ๐ฎ๐ป๐ฎ ๐ถ๐ฟ๐ฒ๐ผ ๐บ๐ฝ๐ถ๐ฎ๐ป๐ฎ๐๐ฟ๐ฎ ๐ป๐ฎ๐ป๐ฎ๐น๐ฎ ๐ณ๐ฎ๐ป๐ฎ๐ฑ๐ถ๐ป๐ฎ๐ป๐ฎ ๐ถ๐๐ฎ๐ ๐ป๐ถ๐ฝ๐ฒ๐๐ฟ๐ฎ๐ธ๐ฎ ๐๐ฎ๐บ๐ถ๐ป"๐ป๐ ๐๐ฎ๐ป๐๐ข
Niparitaka eraky ny Tambazotra serasera fesiboky ny sary, izay tena mampalahelo nahazo ireo mpianatra nanala fanadinana nandritry ny CEPE 2026 farany Teo, tany amin'ny faritra Atsimo iny, Naneho ny heviny ny Depiote voafidy ao aminโny distrikanโAntanimora Sud, Baba Tea Longo.
Efa imbetsaka ny tenako hoy izy no nampita ny fitarainanโny mponina momba ny fahasahiranana eo aminโny sehatry ny fampianarana ao aminโity distrika ity.
Nilaza izy fa mbola tsy ampy ny vahaolana entina mamaly ireo olana sedrainโny sekoly sy ny mpianatra, na dia efa maro aza ny antso natao taminโireo tomponโandraikitra voakasika.
Nasongadiny fa tsy maharaka ny filร nโny mponina ny fotodrafitrasa misy aminโizao fotoana izao, ka mahatonga ny mpianatra sasany hiatrika fanadinana anatinโny fepetra sarotra.
Noho izany dia miantso ireo tomponโandraikitra mahefa izy hijery akaiky ny sehatry ny fanabeazana ao Antanimora Sud sy hitondra vahaolana maharitra ho fanatsarana ny fianaranโny ankizy.
Roddy Jupiter
06/18/2026
๐ข๐ ๐ฝ๐ถ๐ฎ๐ป๐ฎ๐๐ฟ๐ฎ ๐ธ๐ถ๐น๐ฎ๐๐ ๐ง3 ๐ป๐ฎ๐ฑ๐ฟ๐ฎ๐๐ฎ๐ฟ๐ฎ๐๐ฎ ๐๐ฎ๐ผ ๐ฎ๐บ-๐ฝ๐ถ๐ฎ๐ป๐ฎ๐ฟ๐ฎ๐ป๐ฎ ๐๐ถ๐บ๐ฏ๐ฎ ๐ฑ๐ฎ๐ต๐ผ๐น๐ผ ๐ป๐ ๐ณ๐ถ๐๐ฎ๐ผ๐๐ฎ๐ป๐ฎ๐ข
Mpianatra 3 kilasy T3 tao amin'ny Trinity School Morondava no niady tampoka tao am-pianarana omaly ka nanimba fitaovana mitentina 720.000 Ar.
Mpinamana be izy 3 ireo ary fantatra fa na ny Ray aman-dReniny ihany koa ary dia mpinamana be; saingy nifandramatra izy ireo nandritra ny fotoana nivoahan'ny mpampianatra nizara sujet d'examen tao amin'ny Birao.
ยฉ๏ธ Indrana
06/18/2026
๐ข ๐๐ป๐ธ๐ถ๐๐ ๐ฟ๐ผ๐ฎ ๐๐ฎ๐ถ๐ธ๐ฎ ๐ป๐ฎ๐น๐ฎ๐ถ๐ป๐ฎ ๐ฎ๐ป-๐ธ๐ฒ๐ฟ๐ถ๐ป๐, ๐ฎ๐๐ผ๐๐ฟ๐ฎ ๐๐ผ๐ฎ ๐ฎ๐บ๐ฎ๐ป-๐๐๐ฎ๐ฟ๐ฎ ๐ถ๐๐ฎ๐ผ ๐บ๐ฎ๐ฟ๐ฎ๐ถ๐ป๐ฎ ๐ถ๐๐ฎ๐ผ ๐๐ฒ๐ป๐ ๐๐ป๐ผ๐๐ถ๐ฝ๐ฎ๐๐ฟ๐ฎ๐ป๐ฎ ๐ง๐ฟ๐ฎ๐ป๐ผ๐ฑ๐ถ๐บ๐๐ข
Nisahotaka ny teny Anosipatrana Tranodimy androany, taorianโny fikasana haka an-keriny ankizy roa nataonโny jiolahy.
Araka ny vaovao voaray, nifanenjehanโny polisy ireo olon-dratsy, nisy mihitsy ny poa-basy nandritra ny hetsika.
Avotra soa aman-tsara ireo ankizy roa nokasaina halaina an-keriny, ary mbola mitohy ny fikarohana sy ny fanadihadiana ataonโny mpitandro filaminana momba ity raharaha ity.
๐ท Gazetiko
๐ ๐ ๐ Io ary de ahona รดรดรด๐ ๐ ๐
06/17/2026
๐ข๐ฉ๐ฒ๐ต๐ถ๐๐ฎ๐๐ ๐ถ๐ฟ๐ฎ๐ ๐ป๐ฎ๐ป๐ฑ๐ฟ๐ผ๐ฏ๐ฎ ๐๐ผ๐น๐ฎ 6 ๐๐ฎ๐ฝ๐ถ๐๐ฟ๐ถ๐๐ฎ ๐ฎ๐ฟ๐ถ๐ฎ๐ฟ๐ ๐๐ฎ๐ผ ๐๐บ๐ฏ๐ฎ๐๐ผ๐ป๐ฑ๐ฟ๐ฎ๐๐ฎ๐ธ๐ฎ๐ข
Efa Nahatsikaritra ihany ireo Mponina teny an-toerana fa toa nandraraka zavatra hafahafa nanondidina ny tsena ity Ramatoa ity mialohan'izao asa Ratsy Izao.
Tahaka Izao ny Zava-misy
Vehivavy iray no nandroba vola 6 tapitrisa ariary tao amin'ny tsena iray tao Ambatondrazaka.
Efa tamin'ny 9 ora maraina no efa hita mividy zavatra amin'ity mpivarotra iray ity ito Ramatoa ito.
Tapitra nanontaniany tsirairay ireo entana ary tena mividy izy, vao variana kely ireo mpivarotra dia notakariny ny baoritra fitoeram-bola ary nalatsany tao anaty gony iray, izay noetiny
Samy tratry ny fandrekindrekena avokoa ny rehetra ka rehefa dify izy vao gaga ilay mpivarotra, nohamarinina ny (camera de surveillance) dia hita tao avokoa ny fihetsiny rehetra.
Nametraka fitoriana teo amin'ny mpitandro ny filaminana ilay mpivarotra miaraka amin'ny sarin'ilay olona ary efa misy ny fanadihadihana misokatra.
Ny 16 Jiona 2026 no nitrangan'izany teo amin'ny tsenan'Ambatondrazaka ary niteraka resabe tokoa satria nisy nahatsikaritra ny manodidina fa salan'ny nandrarandraraka zavatra izy talohan'ny nanaovany ny fandrobana.
ยฉ๏ธBarawa
06/17/2026
๐ข ๐ญ๐ฎ๐๐ฎ๐ธ๐ฒ๐น๐ 14 ๐๐ผ๐น๐ฎ๐ป๐ฎ ๐ป๐ฎ๐บ๐ผ๐ ๐ป๐ ๐ฎ๐ถ๐ป๐ ๐ป๐ผ๐ต๐ผ ๐ป๐ ๐ณ๐ถ๐ธ๐ฎ๐๐ถ๐ฎ๐ป๐ฎ ๐๐ฎ๐ฟ๐ถ๐ฏ๐ ๐ป๐ถ๐๐ผ๐ป๐ฑ๐ฟ๐ฎ ๐ต๐ฒ๐ฟ๐ถ๐ป๐ฎ๐ฟ๐ฎ๐๐ฟ๐ฎ ๐ข
๐งโ๐ฆฑ Zazavavy kely iray, 14 volana, no namoy ny ainy taorianโny niharanโny dona herinaratra tao an-tranonโny ray aman-dreniny ny marainanโny 16 jona 2026.
Raha ny vaovao voaray, zandrin'ilay maman'ny Zaza namoy ny ainy izay 16 taona ihany no niambina ity zaza ity taminโio fotoana io. Voalaza fa nikasika tariby nitondra herinaratra tao anโefitra ilay zazakely, ka niteraka ny loza.
Niezaka namonjy azy avy hatrany ilay mpitaiza saingy voadonanโny herinaratra ihany koa.
๐ฅ Nentina haingana teny aminโny toeram-pitsaboana ilay zaza, saingy efa tsy tana ny ainy, manaraka fitsaboana kosa ilay mpitaiza ary tsy ahiana ny ainy.
(Noho Antony manokana dia Tsy nambara ny toerana misy azy)
๐ทCirg Antananarivo
06/17/2026
๐ข ๐ง๐ฎ๐
๐ถ๐ฏ๐ฟ๐ผ๐๐๐๐ฒ ๐ต๐ถ๐ต๐ฎ๐๐ผ ๐ฎ๐ป"๐๐ป๐๐ฎ๐ป๐ฎ๐ป๐ฎ๐ฟ๐ถ๐๐ผ ๐ฎ๐๐ ๐ฎ๐ป๐ ๐๐ป๐๐๐ถ๐ฟ๐ฎ๐ฏ๐ฒ ๐ป๐ผ ๐๐ฟ๐ฎ-๐ฑ๐ผ๐๐ฎ ๐ถ๐๐ฎ๐ผ ๐บ๐ฎ๐ฟ๐ฎ๐ถ๐ป๐ฎ ๐ถ๐๐ฎ๐ผ๐ข
๐ขNitrangana lozam-pifamoivoizana teo aminโny RN7, faritra Ilempona, taminโity maraina ity, nahakasika taxibrousse iray avy any Antsirabe hihazo anโAntananarivo.
๐ขVoalaza fa olana ara-teknika teo aminโny fitaovanโny fiara no nahatonga ny fivilian-dalana ka niafara taminโny fivadihanโilay fiara.
๐๐Tsy nisy aina nafoy, saingy nisy naratra vitsivitsy ka efa nahazo fitsaboana ireo niharam-boina.
๐ทSary indrana
Click here to claim your Sponsored Listing.