Takelaky ny Fiangonana Batista Biblika Ankadivato
Mission: Hilaza ny hatsaran'Ilay niantso anay hiala amin'ny maizina ho amin'ny fahazavany mahagaga (IPetera 2.9)
Aza adinoina fa amin'ny Alahady 26 Mey izao ny fara-fisoratana anarana ho amin'ny fiarahantsika fiangonana mitsangatsangana etsy Vontovorona amin'ny Alakamisin'ny Ascension izao (30 Mey). Tongava soa daholo e!
SEMINERA FANAMAFISANA ORINA NY FANAMBADIANA (3 Mey, 4 Mey sy 5 Mey)
Misokatra sy anasana antsika rehetra, indrindra fa ireo mpivady tsy ankanavaka, izay karakarain'ny Madagascar 3M ary ampiantranoin'ny FBB Ankadivato. Malalaka ny fidirana.
Toy izao ny fandaharam-potoana:
Zoma 3 Mey:
- 2:30: Fanokafana sy fiderana
- 2:45 - 4:00: Ny zava-misy: samy nanambady ny lohan'ny mpanota izahay!
- 4:15 - 5:30: Ny fitantanam-bola ao an-tokantrano
Sabotsy 4 Mey:
- 8:00: Fiderana
- 8:15 - 9:30: Izahay mivady irery ve no miatrika fifandirana?
- 9:35 - 10:50: Ny fahendrena ao anatin'ny fifandirana
- 11:00 - 12:15: Manomana teti-bola ho an'ny tokantrano
Alahady 5 Mey:
- 2:30: Fiderana
- 2:40 - 3:45: Ny fifanehoanay hatrany ny fitiavanay
- 3:45 - 4:45: Ny fahasoavana tsy miovaova sy ny fitiavana maharitra
- 4:50 - 5:30: Fanontaniana sy valiny
- 5:30: Famaranana
Maro aminareo Tanora no efa natosiky ny hafa mba hanambady haingana satria "mandeha ny fotoana".
Ny sasany indray dia miandry an'ilay olona lavorary mety aminy, kanefa toa tsy mety tonga mihitsy izy izany.
Maro aminareo no mety mitady valiny ny amin'ny fomba hiatrehana ny maha-mpitovo ara-Baiboly.
"Raha lehilahy aho, azoko atao ve ny manana namana vehivavy ? Raha vehivavy aho, afaka minamana amin'ny lehilahy iray ve aho ka tsy misy mieritreritra zavatra hafa, na izy, na ny olon-kafa ? Ary ahoana no ahafantarako fa vonona ny hanambady aho ?"
Manasa anareo Tanora sy Zatovo fa hiaraka hamaly ireo fanontaniana ireo avy ao amin'ny Baiboly isika.
Ny Lanitra Vaovao sy ny tany vaovao, ary Jerosalema vaovao renivohiny...
Manao ahoana ny toetry ny fonenana mandrakizay izay iarahantsika mpino mitoetra mandrakizay miaraka amin'Andriamanitra? Hotoriana amintsika rahampitso ao amin'ny FBB Ankadivato ny Apokalypsy 21-22, ho valin'izany. Azonareo vakiana mialoha ny andalana, dia tongava soa hidera an'Andriamanitra sy handre ny fitoriana ny teniny!
"Fandrenesan'ny sofina ihany no nandrenesako Anao; fa ankehitriny kosa dia ny masoko no mahita anao" (Joba 42:5)
Rahampitso, Alarobia 10 Aprily 2019, amin'ny 1 ora tolakandro, no hiaraka hidera sy hisaotra an'Andriamanitra ao amin'ny FBB Ankadivato isika, fa niditra tamin'ny voninahitra ny malalantsika Hanitra Naivoharijaona.
Efa eo anatrehan'ny Tompo izay notiaviny, notompoiny ary noderainy tamin'ny feony manga izy ankehitriny, miandry ny fitsanganan'ny tena amin'ny maty đ
[04/02/19] Rahampitso Alarobia 3 Aprily isika hiaraka hamangy ny anabavintsika Hanitra (chorale), izay tsy salama ka niditra tetsy amin'ny Hopitaly Befelatanana. Amin'ny 12:30 ny fotoana, eo amin'ny fidirana amin'ny BĂątiment E. Samia mifampilaza!
Amin'ny Alahady 17 Marsa izao no hamarana tanteraka ny fandinihana ny Epistily ho an'ny Kolosiana isika, ka ny taratasy manontolo no hofehezintsika ao anatin'ny toriteny iray! Aza diso anjara amin'izany Ă ry ianao!
Marihana fa azonao atao ny mihaino na/sy maka ao amin'ny tranokalantsika ny sasantsasany amin'ireo toriteny manesy ny Epistily ho an'ny Kolosiana ireo (ampiakarina ao tsikelikely avokoa izy ireo): tsidiho: http://www.batista-ankadivato.org/series/kolosiana/
Tapany faharoa amin'ilay torolalana mikasika ny fanokanana fotoana ho an'Andriamanitra isan'andro. Ohatra azonao ampiharana mivantana amin'ny fiainanao andavanandro!
batista-ankadivato.org Tapany faharoa aminâny torolalana mikasika ny fanokanana fotoana manokana ho anâAndriamanitra isanâandro. Azonao jerena ato ny tapany voalohany.
Fiangonana Batista? Fa inona izany?
Fantaro ny nipoiran'ny Batista, sy ireo foto-kevitra maha Batista ny Batista.
http://www.batista-ankadivato.org/momba-anay/batista/
batista-ankadivato.org Ny zava misy anefa dia isanâny firehana protestanta lehibe indrindra eran-tany ny fileovana batista. Betsaka ireo fiangonana ireo indrindra any aminâny tany miteny anglisy, izay mazĂ na mirona kokoa aminâny protestantisma.
Ho setrin'ny toriteny tamin'ny tapa-bolana mahakasika ny fivavahana (Kol 4:2) dia nanoratra torolalana ho antsika rehetra mikasika ny hoe "manokana fotoana ho an'Andriamanitra" ny rahalahy Faly Ravoahangy, izay azonao vakiana ao amin'ny blaogy ny tapany voalohany.
http://www.batista-ankadivato.org/2019/02/15/manokana-fotoana-ho-anandriamanitra-1/
batista-ankadivato.org Ary Jesosy namaly hoe: ny voalohany dia izao: Mihainoa, ry Isiraely: Jehovah Andriamanitsika dia Jehovah iray ihany; koa tiava anâi Jehovah Andriamanitrao aminâny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra sy ny sainao rehetra ary ny herinao rehetra
Aza adinoina ny fotoana fiombonana iarahantsika fiangonana misakafo rahampitso, manomboka amin'ny 11:30. Jereo ao amin'ny tranokala ny andinindininy.
http://www.batista-ankadivato.org/event/fotoana-fiombonana-sy-fiaraha-misakafo/
batista-ankadivato.org Fotoana fiombonana iarahanâny fiangonana manontolo misakafo atoandro. Handraisana manokana ihany koa ireo niditra ho mpikambana taminâny taona 2018 sy fiandohanâny 2019.
Rahampitso Alahady 3 Febroary 2019 izao, amin'ny 7 ora maraina, ao amin'ny FBB Ankadivato, dia hisy fanompoam-pivavahana ho fisaorana sy ho fanomezam-boninahitra an'Andriamanitra noho ny nandraisany ny mpanompoany RAZAFINIMANANA Lala Yvonne Clarisse (Mme Yvonne, renin'i Hery RAZAFY mivady, sy Ndriana RAZAFY mivady).
Noho izany, dia tsy misy ny fotoan'ny mpandray amin'ny 8 ora, fa avy hatrany dia miroso amin'ny fanompoam-pivavahana iarahana amin'ny besinmaro amin'ny 9 ora rehefa vita ny fanompoam-pivavahana manokana amin'ny 7 ora.
Aza adinoina ny mivavaka ho an'ny vady aman-janak'i Mme Yvonne, sy ho an'ny fianakaviana manontolo.
Fanokanana Loholona eo anivon'ny FBB Ankadivato.
http://www.batista-ankadivato.org/2019/01/31/fanokanana-loholona-miroso-aminny-asa-tsara/
batista-ankadivato.org âTandremo ny tenanareo sy ny ondry rehetra izay nanaovanâny Fanahy Masina anareo ho mpitandrina, hiandrasanareo ny fiangonanâAndriamanitra, izay novidiny taminâny ranyâ (Asa 20.28)
Fanompoam-pivavahana ho fiderana sy fisaorana an'Andriamanitra noho ny nahalasanan'ny mpanompony Ralambondrainy Mamisoa Josette (tohiny).
Tapaka ny "diffusion" teo fa mivantana eto @ ity rohy manaraka ity indray ny tohiny : https://youtu.be/k3QtD95QvNk
Fanompoam-pivavahana ho fiderana sy fisaorana an'Andriamanitra noho ny nahalasanan'ny mpanompony Ralambondrainy Mamisoa Josette.
Afaka jerena mivantana eto @ ity rohy manaraka ity : https://youtu.be/2WpZ6cWgO1A
Manohy manesy ny Epistily ho an'ny Kolosiana isika amin'ny Alahady 13 Janoary 2019 izao, ka ao amin'ny Kol 3:20-21 no misy antsika amin'izao fotoana izao. Inona no manamarika ny fifandraisan'ny ZANAKA sy RAY AMAN-DRENY ao anatin'ny tokantrano kristiana izay mifantoka amin'ny maha Tompo an'i Jesosy Kristy? Hojerentsika miaraka amin'izay ihany koa ny teny mifanitsy amin'io andalana io, izay hita ao amin'ny Efe 6:1-4. Koa tongava soa daholo tompoko!
[12/29/18] Ho an'ireo mpikambana rehetra: aza adinoina ny FIVORIANA ARA-POTOANA izay hotanterahintsika rahampitso Alahady 30 Desambra, aorian'ny fotoana fanompoam-pivavahana maraina, izay hanaovantsika Jery Todika ny taona 2018, sy hanolorana antsika ny fandaharan'asa ho an'ny taona 2019."Mazotoa, fa aza malaina, ary aoka hafana fo amin'ny fanompoana ny Tompo" (Rom 12:11)
Fanompoam-pivavahana ho fiderana sy fisaorana an'Andriamanitra noho ny nahalasanan'ny mpanompony RAMAVOMALALA Emilie Alexandrine.
Afaka jerena avy eto @ ity rohy manaraka ity ny ampahany voalohany @ horonan-tsary : https://youtu.be/m5su9LnCXGU
Homena antsika eto tsy ho ela kosa ny rohin'ny raki-tsary feno (intégral).
Amin'ny Alahady 23 Desambra 2018 izao, amin'ny 7 ora maraina, no hanatanteraka fanompoam-pivavahana ho an'Andriamanitra isika, ho fiderana sy fisaorana Azy, ary koa ho fampaherezana ny fianakaviana, noho ny nahalasan'i Mme Emilie malalantsika ho amin'ny toerana izay "tsara lavitra" kokoa (Fil 1:23).
Manesy ny Epistily ho an'ny Kolosiana ny toriteny Alahady maraina ao amin'ny FBB Ankadivato. Tamin'ny Alahady roa farany dia teo nijery ny maha Tompon'ny tokantrano kristiana an'i Jesosy isika, araka ny ny Kol 3:18-19 izay nahitantsika ny andraikitry ny vehivavy sy ny lehilahy, samy manoloana ny vadiny.
Fa ahoana ndray anefa ny amin'ireo tsy manambady, ireo mpitondrantena, ireo manambady tsy mino, ireo nisara-panambadiana, ary ireo mpitovo?
Koa mialoha ny hanohizantsika ny Kol 3:20-21 izay miresaka ny fifandraisan'ny zanaka sy ny ray aman-dreny , dia hiolaka kely hijery ny 1Korintiana 7 isika amin'ny Alahady 16 Desambra izao, hamaly ireo fanontaniana manitikitika ireo, raha sitrapon'ny Tompo.
Koa manainga antsika hiomana amin'izany, ka hamaky sahady io toko manontolo io, ary koa ho vonona hiatrika ny fitoriana ny tenin'Andriamanitra amin'ny Alahady izao.
Samia hotahian'ny Tompo!
DIFFUSION EN DIRECT DU CULTE DâORDINATION DE HAJA RALAMBOMANANA
Le culte est maintenant diffusé en direct via Youtube.
PriĂšre dây accĂ©der en passant par le lien ci-aprĂšs :
http://youtu.be/GxXt8iK5WXY
Bon dimanche à tous et que Dieu vous bénisse!
[01/13/18]
CULTE D'ORDINATION DE HAJA RALAMBOMANANA
LâĂ©quipe en charge de la diffusion via Internet a le plaisir de vous informer quâun lien (URL) Youtube sera partagĂ© ici mĂȘme afin de permettre Ă tous ceux qui souhaitent accĂ©der Ă la diffusion en direct (live), sinon en diffĂ©rĂ©, du culte en question. On sâefforcera Ă ce que le lien soit disponible au plus tard 15 minutes avant le dĂ©but du culte, câest-Ă -dire vers 08:45 (heure locale).
Bien Ă vous en Christ ;)
[01/12/18]
ORDINATION DE HAJA RALAMBOMANANA
L'Eglise Baptiste Biblique d'Ankadivato est ravie d'annoncer que le culte de ce dimanche 14 janvier sera un peu particulier puisqu'aura lieu Ă ce moment lĂ l'ordination de Haja Ralambomanana comme son pasteur.
Une diffusion du culte via Internet est prévue et les informations y afférentes seront partagées trÚs prochainement.
Merci de vos priÚres et que Dieu vous bénisse !
Misaotra an'Andriamanitra feno isika nomeny an'i Pasteur ANDRIANAVALONA, izay nitandrina ny Fiangonana FBB Ankadivato nandritra ny 42 taona.
Efa eo akaikin'ny Tompo izy ankehitriny, izay tsara lavitra kokoa (Fil 1:21).
"Tsarovy ny mpitondra anareo, izay efa nitory ny teninâAndriamanitra taminareo; hevero ny niafaranâny fiainany, ka araho ny finoany." (Heb 13:7)
"The Christians of Madagascar had the Scriptures in their own language. That was secret of their perseverance. They nourished their souls on the Word of God and were strong. In the Word they found the Christ and he did not fail nor forsake them in their hour of trial. The people of God today, in many trying and desperate situations, are finding the promises of God just as real and the power of Christ just as sustaining as did the Malagasy martyrs of the last century" (F.G. Smith in Triumph in death, p.11,12)
Vaovao mikasika ny fanamboarana ny trano fiangonana any SAKALAVA (faritra Bezanozano). Azontsika rehetra atao ny mandray anjara, na ara-bola, na ara-pitaovana, fa indrindra ny manohana am-bavaka!
http://www.batista-ankadivato.org/le-blog/entry/construction-d-une-nouvelle-eglise-a-sakalava.html
batista-ankadivato.org C'est avec grand plaisir que nous publions une lettre d'information que nous avons reçu de Mr Ibrahim RAVOAHANGY, Ancien Ă l'Eglise Baptiste Biblique d'Ankadivato, sur la construction du nouveau bĂątiment d'Ă©glise Ă Sakalava, dans le pays Bezanozano. Sakalava est un village en pleine forĂȘt qui se t...
Efa nampiakarina ao amin'ny tranonkala ao ny toriteny nataon'Atoa Modeste RABESAOTRA tamin'ny alahady 06 oktobra 2013 lasa teo, mikasika ny "FINOANA MIASA"
(http://www.batista-ankadivato.org/ressources/toriteny-feo/taona-2013.html)
batista-ankadivato.org Site de l'Eglise Baptiste Biblique d'Ankadivato (Fiangonana Batista Biblika Ankadivato).
COMMUNIQUE DE PRESSE nalefan'ny PILGRIM MEDIA DIFFUSION. Deraina ny Tompo noho ny asany lehibe !
http://www.batista-ankadivato.org/le-blog/entry/communique-de-presse-pilgrim-media-diffusion.html
batista-ankadivato.org Mijoro ara-dalĂ na ary miezaka ny mamatsy fitaovana entina mitory ny Vaovao Mahafaly ny PILGRIM MEDIA DIFFUSION (PMD). Ny Fiangonana, ny Fikambanana Kristianina, ny Kristianina tsirairay ary ny Malagasy tsy an-kanavaka dia afaka mampiasa ny fitaovam-pitoriana avoakanâny PMD. Intercom-Media Hevitr...
Ao amin'ny Blog : Tatitra sy fijoroana vavolombelona mikasika ny Lasin'ny Vehivavin'ny Fivondronan'ny Fiangonana Batista Biblika eto Madagasikara.
http://www.batista-ankadivato.org/le-blog/entry/camp-des-femmes-de-la-ffbbm.html
batista-ankadivato.org Le camp des femmes de l'Association des Eglises Baptistes Bibliques de Madagascar s'est déroulé le 11 et 12 septembre 2013 à Antsirabe. PrÚs de 260 femmes provenant des Eglises Baptistes des diverses régions de Madagascar ont assisté à ce camp. Le thÚme abordé lors de ce rassemblement a été :
FBB Ankadivato's cover photo
Efa nampiakarina ao amin'ny site web avokoa ireo toriteny efa vita tamin'ity volana septambra ity. Ialana tsiny ny fandraisam-peo sasany, ny amin'ny kalitaon'ny feo, na koa tapaka tany am-boalohany. Mahazotoa mihaino tompoko!
http://www.batista-ankadivato.org/ressources/toriteny-feo/taona-2013.html
batista-ankadivato.org Site de l'Eglise Baptiste Biblique d'Ankadivato (Fiangonana Batista Biblika Ankadivato).
[09/24/13]
ENTO AM-BAVAKA ny fandraketana an-tsoratra ny formation rehetra nampanaovin'i Pst Tim Cantrell sy Desmond Venter tetsy Ambatoroka tamin'ny faramparan'ny volana Aogositra eo, mba hahazoana mizara amin'ny maro an'isa indrindra ny zava-tsoa rehetra azo tamin'ny fitrandrahana ny Tenin'Andriamanitra.
Manome vaovao miandalana mifanaraka amin'izay ihany.
Faly manasa antsika rehetra hanatrika ny antsam-panahy izay ataon'ny Chorale eto Ankadivato, ny alahady 22 septembra 2013 izao, manomboka amin'ny 3 ora tolakandro.
Ny lohahevitra iompanan'ity antsam-panahy ity dia izao :
«âŠIANAREO NO NOFIDINâNY TOMPO HIJORO EO ANATREHANY HANOMPO AZY ⊠» (2 Tan 29.11a).
Lohahevitra izay banjinin'ny Chorale amin'ity taona ity io, ka hozaraina amintsika.
Ankoatra ny hira izay ho ventesin'ny mpihira, dia hisy ihany koa ny feon-kira (instrumental) sy fizarana fohy hotanterahin'ireo mpitendry zavamaneno samihafa eo anivon'ny chorale.
Koa manasa antsika rehetra am-pitiavana be!
[09/18/13]
Manomboka amin'ny Asabotsy 21 septambra ho avy izao ny fanomanana ny KRISMASY 2013 ho an'ny ankizy (3-6 taona, 7-9 taona, 10-12 taona) sy ny zatovo (13 taona no miakatra) ao amin'ny Fiangonana Batista Biblika Ankadivato.
Ny famerenana dia isaky ny Asabotsy (2 ora sy sasany - 4 ora) sy ny Alahady (aorian'ny fanompoam-pivavahana : 10 ora sy sasany - 11 ora sy sasany).
Koa mamporisika indrindra ireo ray aman-dreny mba handefa ny zanany hanatrika izany dieny izao vao manomboka izao!
[09/15/13]
Misaotra an'Andriamanitra be dia be fa nisokatra tolakandro teo ny cellule teny Ambohitsoa (Kaominina Manandriana Avaradrano). Nisy olona 7 nanohina ny antso ka tonga nanatrika ny fandinihana ny Tenin'Andriamanitra, niaraka tamin'ireo kristiana vitsivitsy avy ao Ankadivato. Ireto avy ireo olona ireo, izay aoka samy ho entintsika am-bavaka :
- Mme Vololona (Chef Fokontany Ambohitsoa)
- Mme Aimée
- M Hervé
- Ny renin'i M Hervé (efa mandroso taona)
- M Guy
- M Freddy.
- Aina (ankizy)
Raha sitrapon'Andriamanitra dia hitohy hatrany ny fiaraha-mandinika ny Tenin'Andriamanitra, izay hotanterahina isaky ny alahady tolakandro, manomboka amin'ny 3 ora sy sasany eo ho eo. Ny amin'ny alahady 22 septambra izao no mbola tsy misy fotoana aloha (hisy antsam-panahy ao Ankadivato), fa amin'ny 29 septambra kosa ny fihaonana manaraka.
Aza adinoina Ă ry ny mitondra am-bavaka, sy ny manohana araka izay azo atao fa betsaka ny fanahy liana hahafantatra ny fahamarinan'ny Tenin'Andriamanitra.
Halefa eto ihany (na ao amin'ny site rehefa miravina ny olana ara-teknika) ny sary sasantsasany nalaina tany.
[09/14/13] Misy olana ara-teknika kely ny site web-ntsika, fa hiverina amin'ny laony tsy ho ela, miaraka amin'ireo vaovao sy toriteny maromaro. Misaotra indrindra :)
Izahay RFbi dia manentana sy mitaona anareo Sakaiza namana rehetra mba hifady sy hiady amin'izay mety ho fanao ratsy rehetra.
« Fa raha izaho kosa, dia ny famindramponao, Jehovah Î, no itokiako. » Salamo 13:5a
« ... toy izany koa isika, na dia maro aza, dia tena iray ihany ao amin'i Kristy, ary samy miara-momba ny tena isika rehetra. » (Romana 12:5)
Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara Sinodam-paritany Iarivo Avaradrano Fitandremana Ambatonakanga
Aoka tsy hisy olona hanao tsinontsinona anao noho ny hatanoranao; fa aoka ho tonga fianarana ho an'ny mino ianao amin'ny fiteny, amin'ny fitondran-tena, amin'ny fitiavana, amin'ny finoana, amin'ny fahadiovana. (ITim 4, 12)
Projet de plaidoyer pour la Bonne Gouvernance des ressources minérales à Madagascar
- Le "Fikambanana Apokalypsy eto Madagasikara" (F.A.M) fondĂ© par le pasteur Mailhol a pour mission de prĂȘcher lâApocalypse, lâEvangile de lâEternel, qui est un des livres de la Bible. Contact : (261 20) 22 657 87 - Administrateur : Smar
Tanora mpandresy ambohijanamasoandro Itaosy manasa anao hidera ny anaran'ny Jesosy
Taranak'i Rainitrena, Andriamahery, Pasteur Andrianony, Frank Rasoamanana